Baranjely

Portrait de Angie

BARANJELY

-Ahitana vitamine maro ,be otrik'aina,kalsioma ary tena manadio ny ao anaty
-manampy amin'ny fanalana tavy anaty
-manampy amin'ny fiasan'ny aty
-mampiena ny tahan'ny "cholestérol"
-mahatsara ny fandevonan-kanina
-manampy ny fomba fiasan'ny tsinay,mahatsara ny tsinay,misoroka ny homamiadan'ny tsinay be
-misy singa mampiena ny tahan'ny homamiadana ao amin'ny baranjely
-tsara ho an'ny olona ambony tosi-dra,goty,mitohana.

Ankoatry ny atao amin'ny sakafo dia ireto misy fomba azo hampiasana azy:

  • olona manahia tena no manao azy ity:

-baranjely lehibe 1
-rano atsasa litatra
sasana madio, tsy voasana,tetehina dia alona amin'ny rano atsasa litatra ,amin'ny alina,sotroina vao maraina ny atsasany dia adin'ny 1 aloan'ny sakafo antoandro na hariva ny ambiny.

  • mampiena ny tahan'ny "cholestérol"

maka baranjely sasana tsara,tetehina,ampangotrahina miaraka amin'ny rano 1 litatra,mandritra ny 20mn. Maka atsasaky ny kopy, sotroina vao maraina ,ary maka toy izay koa ny antoandro sy hariva fa eo ampisakafoanana indray no hitsotroina azy.

  • mampiena ny fiakaran'ny tosi-dra

maka baranjely 1,tetehina,dia asiana rano izay tianao,atao ao anaty vata fampangatsihaina,sotroina tontolo andro.

MIRARY SOA ANAO FOANA NY RADIO TANA  fb

Type: