DIPOAVATRA MAINTY

DIPOAVATRA MAINTY

Maro karazana ny dipoavatra toy dipoavatra mainty,maintso,mena,fotsy ary maro tsy voatanisa,efa ho 4000 taona no nisy azy ity ka tany Inde no tena nahitana azy voalohany,manankarena ity dipoavatra ity koa isika malagasy dia ny dipoavatra maintso,ka ny soa azo avy amin'izany dipoavatra izany no hoentina antsika .Dipoavatra mainty

-Ny dipoavatra mainty dia manala ny poizina sy ny loto ao amin'ny vatantsika olombelona.
-Mahatsara ny fandevonan-kanina sy ny fiasany koa izy
-Manampy ny olona voan'ny spasme sy ny depression ny fihinanana dipoavatra mainty.
-Manala ireny tavy ao amin'ny vantatsika sy tsara ho an'ny olona manena tena koa izy.
-Mahasitrana aretin-tena sy kohaka(maka 20 isa dipoavatra mainty,dia maka hasina tongolo gasy 2,ampagontrahina ami'ny rano 1 kopy,dia mamiana tantely rehefa mangatsiaka,sotroina in-telo isan'nadro)
-Manala fanaintainana maro amin'ny vantana(lamosina,kibo,nify,ranjo sns...,maka huile essentielle dipoavatra mainty dia hasiana menaka zavamaniry,hosorana amin'ny faritra manaintaina rehetra,andramo fa mahasoa).
-Mahafaka tazo sy kohaka(maka 10 isa dipoavatra mainty dia ampagontrahina amin'ny rano 1kopy,dia sotroina izy matimaty iny,tantely foana no tsara hamamiana azy).
-Miaro amin'ny homamiadan'ny nono(afangaro amin'ny tamotamo sy sakamalao),ny tsara ho marihina dia tena manome hery fiarovana be ho antsika ny (tamotamo,sakamalao,dipoavatra mainty miaraka)
Ny olona marary vavony sy voan'ny hemorroide tsy tsara loatra mihinana azy,mbola betsaka ny tombotsoa azo avy amin'ny dipoavatra mainty fa ireo no azo nozaraina amintsika mba hitondra fahasalama .

de Radio Tana (fb)

Type: