Fambolena anandrano

FAMBOLENA ANANDRANO (cresson) amin'ny koveta - atolotr'i Andreas Pattie :

Zaraiko eto fa sao mahasoa anareo anandrano nambolena taminy koveta :

- tsy asina lavaka ny koveta a. 
- Asiana tany antsasaky ny koveta dia afafy ny voan'anandrano ary totofana tany kely .
- Mila tondrahana isan'andro, tsy mila fenoina rano be ( Atao mando ilay tany). 3 herinandro izao izy io amin'ny sary io.

Toerana hividianana ny voan'anana :

- Arbiochem no anaran'ilay mpivarotra akaikin'ny SARAFI raha toa ka mitady voany eto Antanananarivo isika.
- Zahay aty ivelany ao amin'ny AMAZON no mividy voniny.

Fomba fambolena hafa koa :
- Hoy Zoe Bourdiol : rehefa mividy fehin'anandrano eny amin'ny Grande surface dia amelana tahony , izay no nataoko dia iny no ao efa ho 4 taona.

- Hoy Voahangy Rabemanantsoa : Ny anay ilay tahony eny amin'ny mpivarotra ireny ilay antitra no alaina fa tamin'ny tsy nasiana goaka ilay koveta dia saika lo ilay tahony, noloahana ilay koveta vao naniry tsara.

Mazoto o