Karibônetra, maha-tsara tarehy!

50Ar dia efa mahazo karibonetra kanefa be dia be ny vokatsoa entin’izy io amin’ny vatana, indrindra ny fahadiovana sy ny hatsarana. « Astuces » vitsivitsy fampiasana karibonetra ireto entina aminao ireto, mba ho ianao ilay manja sy madio indrindra !

 

Misoroka fofo-katsembohana

Karibônetra 50 Ar dia maha-tsara tarehy !

Efa manomboka mafana ny andro ka sorohy dieny izao ny fofon-kelika. Somary lemana rano kely ny karibonetra dia ahosotra amin’ny helika avy hatrany. Tsy mamela tasy izy ary tsy mandena akanjo ny hatsembohana rehefa mahazo azy.

Manala angadrano

Raha be angadrano dia tsy mila mampiasa shampooing mahery vaika fa karibonetra dia mety. Leman any loha, hosorana karibonetra ny hodi-doha ary sasana amin’ny savony malefaka avy eo. Somary makina ny volo any am-boalohany fa hisinda izany aoriana kely.

Mampangirana volo, manalefaka azy

Mahasolo shampooing mihitsy ny karibonetra raha hita fa marefo, tsy dia salama ny volo. Rano iray vera misy karibonetra 1 sotro fihinanana+tamenak’atody 1+alikaola 2 sotro fihinanana. Leman any volo, hosorana ity fangaro ity, kosehina tsara ary kobanina amin’ny ranom-boasarimakirana.

Anaovana gommage

In-dray mandeha isan-keronandro no tokony hanao gommage isika vehivavy. Aza mividy “produits” lafo vidy fa karibonetra dia ampy. Rano mangatsiaka 5 sotro, nasiana karibonetra 1 sotrokely sy tantely marihitra 1 sotro fihinanana no hanadiovana ny atrehy sy alona kely 15mn eo vao kobanina. Amin’ny maha-gommage azy dia somary kosehina miodina ny hodi-tava hanalana ireo loto rehetra.

Mamotsy nify

Tahaka ny volo sy ny hoditra dia miantraika amin’ny nify koa ny fahazarantsika amin’ny andavan’andro amin’ny sakafo, sigara, toaka, sns. Raha hamotsy nify dia sira sy karibonetra 1 sotrokely avy no hanadiovana nify. Marihina anefa fa tsy azo atao matetika izy ity fa in-dray mandeha isan-kerinandro ihany.

Manala “poche” sy “cerne” amin’ny maso

Raha reraka ny maso ka mamorona “poche” na misy “cerne”  dia izao atao : Asio karibonetra 1 sotrokely ao anaty rano mafana iray vera. Arotsahy ao amin’io fangaro ion y coton, apetraho eo amin’ny maso mandritra ny 15mn.

de Kalii http://www.jejooweb.com/ le 14.09.2015

 

Type: