NY KARIBONETRA

TOROHEVITRA MAHASOA :

NY KARIBONETRA: na ny Bicarbonate de soude: akora mora hita sady tsy lafo vidy nefa dia mahavariana ny zava-tsoa azo avy amin'ny fampiasàna azy.

1) NY MASINATY : maka karibonetra tokony ho ampahatelon’ny sotrokely afangaro amin’ny rano mafana antsasaky ny vera, io no sotroina. Eo no eo dia mety handrezatra be ianao , tsy misotro intsony rehefa afaka ny masinaty. (ny masinaty dia avy amin'ny hoe masina+aty. izany hoe somary re mamaivay ny vavony izay mifandray andraikitra amin'ny aty, be loatra ny laro avoakan'ny aty noho ny fahatongavan'ny sakafo navesatra loatra, hany ka be ny tahan'ny asidra mpandevon-kanina dia lasa re mamaivay marikivy ny vavony. tsy fahatomobanan'ny taova fandevonan-kanina no mampa masinaty) 
2) NY ATI-VAVA : rarahana Karibonetra ny fitaovana fiborosiana nify, somary maisamaisatra nefa dia mamono ireo karazana « bactéries » any antsefatsefaky ny nify any.
3) NY AKANJONIFY MARARY : Raha misy maharary ny akanjonify dia lemo kely ny loha-panondronao ary atsoboy anaty karibonetra, petapetao amin’ilay faritra maharary anao ao anaty ativava izany.
4) NY ANKIZY MIFOHA NIFY : lemo kely ny loha-panondronao ary atsoboy anaty karibonetra, petapetao amin’ilay faritra misy ilay nify vao hipongatra.
5) NY « Infections urinaires » : maka karibonetra tokony ho antsasaky ny sotrokely afangaro amin’ny rano 8 vera eoeo, io hosotroina ao anatin’ny 24 ora.
6) NY HIDIHIDY, NY MONY, FIVONTOSANA KELY AMIN’NY HODITRA: Afangaroy amin’ny rano kely ny karibonetra ho lasa toy ny « pâte » , io no ahosotra ny faritra mangidihidy na ny mony .
7) NY HAVIZANAN’NY TONGOTRA : Alona ao anaty rano mafana tsara an-koveta izay nasiana karibonetra 3 sotro lehibe .
8) NY HELIKA : tampohina rano sahaza azy ny karibonetra ka io no ahosotra ny helika ho solon’ny alamo.
9) NY “MAKAFOKA” vokatry ny fisotroana toaka: maka rano matimaty eran'ny vera tampohina karibonetra antsasaky ny sotrokely , io no sotroina
10) NY RANO HANDROANA:
Andramo afangaro manokana ary ny Karibonetra 2 sotro lehibe, sira 2 sotro, miampy menaka manitra. Angalao 1 sotro lehibe io fangaro io ka ataovy anaty rano handroanao. Hampitony anao izany ary hampalama tsara ny hoditrao. Ankoatra izany dia hampihena ny fisian’ny tsatsakaotra koa izany.
11) NY HANALEFAHANA NY TAREHY
asio tsongo–na karibonetra ny menaka fihosotrao ny tarehy ary afangaroy tsara ao anaty fela-tanana izany alohan’ny hiosoranao ny tarehy aminy. Somary horina moramora ny tarehy ary kobanina amin’ny rano ma,gatsiaka izy avy eo. Io fomba fanadiovana tarehy io no manome aina vao ny hodi-tava ary hampa mandimandina tsara azy.

de Sammy Rama. 25.09.2015 fb

 

de Misa Rasamy: Azo atao tsara koa ny mikosoka ny firavaka na fitaovana vita amin'ny volafotsy amin'ny karibonetra fa miverina mangirana (tsy asiana rano)

de Fenitra Jeandot :
1-fanadiovana plaque de cuisson koa ny karibonetra :, asiana rano kely ny plaque dia rarahana karibonetra , avela eo elaela , , kosehina amin'ny lamba madio na éponge avy eo madio tsara 
2-baignoire sy WC ,ohatr'izay koa , miverina fotsy tsara
3- raha manana vody tongotra vakivaky: maka rano matimaty 4 l , asiana karibonetra 4 sotro kely eo , alona ao ny tongotra , asiana menaka rehefa mivoaka avy ao , atao in 3 isan'kerinandro amin'ny voalohany , dia tena afaka

Type: