Ny kininina fotsy

Hazo lehibe ihany izy ity. Mandefa fofona manitra tahaka ireny kininina tsotra mahazatra ireny ihany ny raviny rehefa polipolesina, saingy madinidini-dravina kokoa. Miloko fotsy ary misarina fo ny raviny. Saika hita amin’ny faritra maro misy tany masaka somary ambanimbany toerana.

 

Ny aretin’andoha, ny sery na gripa koa aza, ny fanaviana no ampiasana azy. Tenehina hangotraka ny sampany kelikely ka atao evoka avy eo. Azo atao koa ny mandoro azy dia manely ny fofony eran’ny trano, satria tena manadio ny rivotra iainana izy, indrindra rehefa misy voan’ny sery iray ao an-trano ao. Lasa karazana  "antiséptique" izy amin’izay. Tena fomba mahomby iarovana ny tsy fianahan’ny aretina io.

de Murielle Rafiringa Rakotoharintsifa (fb)

 

Type: