Ny tanatanamanga sy ny katrafay

Nomen-janahary zava-maniry roa isika farafahakeliny hoentintsika manala ny havizanam-batantsika rehefa sasa-dahasa iny, satria tsy maintsy miasa, ary izay tena miasa dia tsy maintsy hahatsiaro havizanana ihany !

NY TANATANAMANGA  hazo madinika (arbuste) maniry amin'ny faritra maro, indrindra aty afovoan-tany ; mibelabelaka boribory misarina kintana ny raviny, mahatratra hatrany amin'ny 20 na 25 cm any ny savaivony rehefa tsara ny tany aniriany, miloko maitso antitra io raviny io, ary somary mena manopy manga, tahaka ny lokon'ny vomanga mena, ny tahony sy ny kirany. Io raviny io no akana maromaro, 5 na mihoatra aza arakaraka ny habeny. Dia io no alefa, ampangotrahina aoanatin'ny rano handroana.

NY KATRAFAY hazo somary efa hazo lehibe ihany, tsy maniry raha tsy any amin'ny faritra atsimon'ny Nosy. Tsy mba ny raviny indray kosa no ilaina eto fa ny hodiny, na ny rantsany mihitsy aza. Ahitana mpivarotra izany avokoa manerana ny tsena lehibe eto amin'ny tanintsika. Dia izany no arotsaka ka ampangotrahina miaraka amin'ny rano androana. Marihina koa anefa fa azo akana lohamenaka (huile essentielle) ity katrafay ity. Misy ihany koa ireo orinasa efa mitrandraka izany, ka amidy eny amin'ny toerana tahaka ny fivarotam-panafody eny. Tena mety amin'ny hozatra mivonkina noho ny havizanana koa io raha ampiasaina ho fanorana.

de Murielle Rafiringa Rakotoharintsifa (fb)

Type: