Sakafo mahasalama

Ilaina ny fihinanana karazan-tsakafo.

Inona avy àry izy ireo karazan-tsakafo tsara hohanina ary inona no soa entiny ? 

 

Akondro 

Manan-karena vitamina B6 sy C ny akondro izay tena mampatanjaka tokoa satria feno “glucides" sy “magnesium”. Izy somary somasoma iny no tena manan-karena vitamina sy “sucres lents” kanefa tsara ho fantatra ihany koa fa isan’ny voankazo tena mampatavy ny akondro ka tsy tsara hanina amin’ny alina. Ny akondro koa anefa dia tsara amin’ny toetra satria mampifalifaly izy io. 

 

Papaye

Manan-karena vitamine C, B5, B9 ary E ny papaye, ankoatra ny "potassium" izay hita betsaka tokoa ao aminy

 

Paiso

Betsaka vitamine A, B1, B2, C ary PP ny paiso. Ao amin'ny hodiny no tena misy ireo ka tsara kokoa raha tsy voasana izy fa sasana madio tsara fotsiny

 

Paoma

Manan-karena vitamine C be koa izy, ankoatra ny B1, B2, B5, B6, B9, e ary PP

Ao anatin'ny hodiny koa ny tena ahitana ireo, toy ny paiso, ka tsara izany raha hohanina miaraka amin'ny hodiny izy rehefa voadio tsara

Voankazo miady amin'ny aretina maro tokoa ny paoma ka tsara raha hohanina isan'andro, araka ny fitenin-drizareo anglisy hoe " an apple a day keeps the doctor away"

 

Frezy

Manan-karena vitamine C ny frezy, ahitana ny vitamine A sy B9 koa anefa ao aminy

Betsaka ao aminy koa ny vy "fer" ka afaka entina miady amin'ny tsy fahampian-dra izy

Ahitana "magnésium" koa izy, ary io hahafahana entina miady amin'ny rari-tsaina

 

Sôkôlà mainty

Manan-karena “magnesium” ihany koa ny sokolà mainty izay tena manampy hialana amin’ny havizanana. Mampifalifaly ihany koa ny sokolà ka azonao hanina betsaka, ankoatra ny alina, satria dia mampifahana indray.

 

Kiwi 

Any amin’ny mpivarotra lehibe no ahitàna azy ity kanefa efa manomboka mamboly azy koa ny eny amin’ny làlana mankany Antsirabe eny. Feno vitamina C ny “kiwi” ary tena mampatanjaka tokoa. Boribory misy volombolony ohatra ny totohondry maitso iny ny “kiwi”, ka sokafana ny ao anatiny dia iny no hanina amin’ny sotro kely. Mitovitovy amin’ny an’ny kiwi ihany koa ny vitamina C anaty loranjy.

 

Hena mena

 Mba hahafeno ny “fer” ao anatin’ny vatantsika dia mila mihinana hena mena isika na koa akoho amam-borona.

 

Huîtres  

Ny eto amintsika aloha tsy dia azo atokisana loatra ny “huître” eny an-tsena kanefa dia tena mampatanjaka tokoa izy io, satria dia hita ao aminy na ny “fer”, ny “magnesium”, “potassium” ary “calcium”.

 

Trondro 

Manan-karena amin’ny “oméga 3” ny trondro, ankoatra ny “proteines”, ny vitamina D, B12 ary B6. Maro karazana na ny tilapia na barahoa, ka dia anjarantsika ny mijery izay mety.

 

Angivy

 Voalaza fa mandio ny ao anaty vatana rehetra ao ny angivy ka tokony hoanina matetika

 

Anandrano

 Ankoatry ny vy (fer) , potasioma (K), vitamines A , C ao amin’ny anandrano, dia manampy betsaka ireo manam-piniavana hiala sigara sy paraky ny anandrano noho izy mamono ny asan’ny “nicotine”(antidote de la nicotine). Ka tokony hohaniny betsaka. 

de Murielle Rafiringa Rakotoharintsifa (fb)

Type: