Sakafo voalanjalanja (tapany 3)

NY SAKAFO VOALANJALANJA (tapany 3) - L’équilibre alimentaire (3ème partie) iarahana amin'i Lobo Randria

FAMPIHARANA : (sary nindramina ihany)

Fantatro fa efa haintsika ny betsaka amin'ireo fahalalana nolazaiko ireo, fa ny fanotaniako dia izao: aiza ho aiza ny fampiaranao azy andavanandro ?

Ireo ny “idealy” nefa noho ny antony maro samihafa dia mety ho part 1 ihany ohatra no vitanao, efa tsy maninona izay fa ny manafoana (supprimer) sokajin - tsakafo no tsy mety.

Amin’ny manaraka isika hianatra hanao « plan alimentaire » hampazava azy kokoa, fa ity aloha ny fampiharana androany:

Raiso an-tsoratra (sans tricher) ny sakafo nohaninao tao anatin’ny 3 andro lasa sy ny 3 andro ho avy, satria rehefa zatra tsara ianao dia ho hitanao ilay fahadisoana « erreur alimentaire » fanaonao.

Soraty daholo ny anaran’ilay sakafo-ora-habetsahany – fomba nandrahoana azy (ohatra hoe raha ovy dia tsindrio hoe nendasina)

*Ohatra :

Zoma 16 septambra 2016 :
Maraina: café 1 kaopy - siramamy 2 sotrokely
Ramanonaka 2.
9 ora : composé 1 lovia kely (paty-ovy- mayonnaise).
11ora : brioche iray - jus naturel
12ora : vary- henomby sy tsaramaso
4 ora : nems 2 - akondro 1
8ora alina : vary sosoa sy saosisy.

Ohatra io, fa ianao no angatahako hanoratra izay nohaninao, raiso naoty manomboka tàmin'ny alarobia teo (ezaho tadidiana tsara) sy ny 2 andro ho avy ; dia jereo miadana hoe inona no tsy tao, ohatra oe tsy nihinana vokatra avy amin'ny ronono (produit laitier) mihitsy aho, na hoe, in-1 aho no nihinana voankazo…

Ny iriako dia ny hahaizanao mampifandanja (équilibrer) ny sakafonao sy ny ankohonanao ao an – trano.
Aza matahotra hoe dia tsy hihinana mofo akondro intsony ve izany? « tout est question de modération ».

Misaotra Tompoko.

Lobo Randria (Diététicienne).