Tamotamo

TAMOTAMO (Safran,Curcuma)

Ahitana vitamine B6,C ,fer,manganèse,potassium,flavonoides
Manana hery fiarovana mahakasika ny taova
-aty
-sarakaty
-voa
-vavony
-lalan-kanina
Mandray anjara betsaka amin'ny fisorohana ny homamiadan'ny
-vozon'ny tranon-jaza
-sarakaty
-prostaty
-hoditra
-lalan-kanina
Mampiena ny cholesterol,manadio ra
Manome hery fiarovana amin'ny aretin'ny alzheimer
Manampy betsaka ihany koa amin'ny fanaitainan'ny hozatra sy vanim-taolana.
Manala ny poizina rehetra isan-karazany 
Azo atao cataplasme ka toy izao ny fomba mety hanampy antsika amin'ny fihinana azy

Azo atao fangarona sakafo rehetra izy(salade ,lasopy sns....)
maka 1 sotokely ianao dia ampangotrahina amin'ny rano 150ml mandritra ny 15mn,dia misotro 2 tasy maraina sy hariva
maka ihany koa inao vovony ,dia afangaro amin'ny sakamalao sy poivre mainty(9sotrokely tamotamo,5sotrokely sakamalao,1sotrokely poivre mainty)dia afangaro amin'ny rano ireo ,dia mihinana in-telo isan'andro ,5 a 10 g,zaraina telo.
atao cataplase,maka vovoka tamotamo dia afangaro amin'ny rano dia apetaka eo.

Ny tsara ho marihina dia ny vehivavy bevohoka tsy tsara raha mihinana azy ary ny olona hodidiana koa dia tsy tokony hihinana azy mintsy.Ny ahitana azy eto amintsika dia eny Analakely mpivarotra laron-tsakafo(epice)

 

Ny tamotamo dia mahasitrana aretin-tenda.

Mangalà rano mafana anaty kaopy, asio vovoka tamotamo antsasan' ny sotron-kafe sy sira antsasan'ny sotro kafe ihany koa. Afangaroy dia manaova gararaka.

Andrasana 30 minitra aorian'io vao mahazo misotro na mihinana sakafo mba hiasa tsara ilay fanafody.

Ataovy indroa isan'andro mandra-pahasitrany

Mazotoa o

Ny Riana

Type: