dessert

dessert hafakely

Raha mba te-hanao dessert mafana ndray ianao anefa tsy misy four dia ity atao:

kapohy ny atody 2 na telo, miaraka à siramamy 2 na 3 sotro lehibe.

asio farine 4 sotro lehibe eo ho eo koa. Raha somary maina loatra dia ampio ronono masaka kely.

Alaivo ny lapoaly dia asio menaka kely fotsiny, dia hafanao amin'ny afo antonony fa tsy mamay be loatra.

Rehefa tsara kapoka tsara ilay fangaro dia arotsahy ao anatin'ilay lapoaly, dia avelao ho mendy ( fa tsy may), dia avadiho moramora mba tsy ho potika ary esory avy eo ambonin'ny fatana ilay izy.

Salade de fruit

TSINDRIN-TSAKAFO - DESSERT : SALADE DE FRUIT

Mora atao tokoa ary afaka mampiasa izay zava-misy araka ny fotoana.

ZAVATRA ILAINA:

litchis,
manga,
mananasy,
paoma,
poara,
azo ampiana fraise koa ohatra
ranomboasary makirana

FIKARAKARANA AZY:

Sasana tsara avokoa ny voankazo
Voasana dia tapatapahina atao somary mitovy habeany daholo izy rehetra,
Rarahana ranomboasary makirana
Asina siramamy arak'izay itiavana azy,
Asiana biscuit haingony

Terrine de Fruits

 

Tokony ho an' olona 6 na 8 isa eo ho eo.

Mousse au chocolat

Mousse au chocolat 

 

Zavatra ilaina 

50g dibera
160g chocolat noir 
6 atody
Siramamy izay tiana na tsy asiana koa mety
10 cl  crème fraiche

Fikarakarana azy

Empoina ny dobera dia rehefa vita izay dia afangaro amin'ny chocolat efa notapatapahana, aroiroina mandra-pitsonika

Avy eo sarahina ny atody tapotsiny sy tamenany, kapohina tsara ny tamenany dia afangaro "crème fraîche"

Kapohina ny tapotsiny ho lasa mitambatra tsara "en neige"

Pudding maro safidy

Indro atolotra ampifaliana eto karazana recette fanaovana pudding
 

recette 1 Lalaina Bee

- ronono - mofo mafy - atody - siramamy -  sucre vanillé - farine kely - levure 

 tapatapahana ny mofo mafy dia lomana anaty ronono (tsisy fatrany fa sady ts atao be ronono be moa koa tsy atao maina be @ mofo fa atao mifandanja tsara fotsiny) dia ampiana atody 1 na 2 (raha ronono 1/2l dia atody 3) sy siramamy , sucre vanillé, lévure, farine kely, dia afangaro daholo.

Hafanaina ny four ary dia atao anaty moule beurré dia atsofoka anaty lafaoro .

Crème dessert

Crème dessert (café / choco / miel / vanille)

1,5L de lait
150g farine
150g sucre
150g beurre
200g chocolat
2 cas tantely (ranony)
2 càs de Nescafé (levonina @ rano 2 sotro)
Vanille

ETAPE 1 : Andrahoy ny ronono + vanille dia avelao ho matimaty

ETAPE 2 : Atsonika ny beurre + sucre dia afangaroy

ETAPE 3 : Arotsaho ny farine (toy ny hoe hanao bechamel ianao)

ETAPE 4 : Arotsaho tsikelikely ny ronono.Afangaroy toy ny hoe hanao zay halevona ny farine ianao

Pate de banane

Ity indray dia recette azo atao amin'ny voankazo hafa koa fa eto aloha dia akondro no atao

zavatra ilaina

Akondro

siramamy mitovy lanja amin'ny akondro

ranom-boasary makirana (citron) (OBLIGATOIRE) tapaky ny vera hoan'ny akondro 500g.

Fikarakarana azy

ETAPE 1 : Mixeo ny akondro

ETAPE 2 : Ataovy ambony afo miaraka amin'ny ilay sucre

ETAPE 3 : Andrahoy eo mandrapaharitrany

Yaourt fait maison

YAOURT VITA AN-TRANO 

ZAVATRA ILAINA:

Ronono 1l 

yaourt nature ( antsasany boaty)
 

FIKARAKARANA AZY :

Andrahoina ny ronono dia rehefa mangotraka dia esorina ambony afo.

Avela hangatsiaka ary alaina ny "yaourt nature"  dia arotsaka ao hifangaro.

Dia atao anaty fitaovana fanaovana azy raha toa ka misy izany! Dia 8h izy dia vita.

Raha tsy manana dia fonosina gazety sy bodofotsy ilay atao hoe ady gasy.

Banane flambée

zavatra ilaina:

beurre-sucre- orange-jus de citron-rhum

fomba fikarakarana azy ;

- hafanaina ny lapoaly

-atsonika ny beurre (30g)

- rehefa mafàna tsara ny beurre dia endaso ho mendy ny banane (les deux cotés)

- harotsahy ny sucre (1càs)

- Mba hampitsonika malaky ny sucre ho caramel dia atao mahery ny afo, rehefa mitsonika tsara dia tondrahana cognac (1càs ou un plus) na izay rhum tianao  

- tselaro am afokasoka hanome flamme otran'ny am sary akavia ambony

Pages

S'abonner à dessert