jus

Portrait de Angie

Jus voan'anamamy

"JUS amin'ny VOAN'ANAMAMY

ZAVATRA ILAINA: 

Voan'anamamy 1sotro
siramamy 6 sotro fihinanana
rano 1,5 L
voasary makirana 1

FIKARAKARANA AZY:

Ireo no atambatra sy potserina ary tantavanina.

Fanamarihana : azo anaovana fandokoan-tsakafo natoraly (colorant naturel violet ) koa ny voan'anamamy, raha mila loko volomparasy : potserina dia tantavanina

Mazotoa o !

nokarakarain'i Lah Randria

Ranom-boaloboka

RANOM-BOALOBOKA MENA - Jus de raisin

ZAVATRAILAINA :
voaloboka mena 2kg
siramamy mena 200g 
Rano 2L
voasary makirana 1

Jus de carotte

JUS DE CAROTTE

Zavatra ilaina 

karoty 500g,
voasary makirana 2,
siramamy izay tiana,
rano 6 vera

Fikarakarana azy:

Kikisana madinika ny karoty rehefa voadio dia avela hilona 1 alina miaraka amin'ny ranona voasary makirana.
Rehefa maraina ny andro dia asiana ilay rano ary totoina amin'ny mixer na plongeur,
tatavanina ary asiana siramamy izay tiana

Mazotoa o 

nahandron'i Aina Rakotoarisoa

 

S'abonner à jus