lasary

Portrait de Angie

Lasary maintso

LASARY MAINTSO 

ZAVATRA ILAINA:

manga manta,
sakaibe maintso  "poivron vert",
tongolo be
ary voanjo

FIKARAKARANA AZY:

Kikisana ny lasary ny manga manta,
Tetehina madinika kosa ny "poivron" maintso, ny tongolo be ihany koa
Ny voanjo kosa totoina fa tsy atao potika loatra

Manao "sauce vinaigrette" fa tena kely dia kely ny menaka ary "vinaigre blanc" no tsara ampiasaina

mazotoa o 

nahandron' i Joelle Phiippe 01.01.18

Lasary saosety 2

LASARY SOSETY

ZAVATRA ILAINA :
saosety
vinaingitra
menaka
sira
tongolo raha tiana 

FIKARAKARANA AZY:

Voasana sy sasana ny saosety (mba tsy hiraikitra amin'ny tanana ny dity dia osory menaka kely ny fela-tanana mialohan'ny amohasana azy)
Kikisana ny saosety, avy eo atao ambony afo malefaka 5mn.
Asiana saosy: vinaingitra, menaka, sira , tongolo (raha tiana asiana siramamy 1 tsongo hanome tsiro tsara ihany koa)
Afangaro avokoa dia aroso. 

Mazoto homana daholo e!

Lasary laisoa mamy marikivy

LASARY LAISOA MAMY MARIKIVY: - Salade de chou aigre doux – insalata di verza agro dolce

ZAVATRA ILAINA:

laisoa 1/4 
karoty 1 raha tiana

saosy :
ranomboasary makirana na vinaingitra 2 s.f. (sotro fihinanana)
mayonnaise 3 s.f. na ronono 3 s.f.
siramamy mena 2 s.f. 1
sira 2 tsongo

FIKARAKARANA AZY:

Lasary betiravy

LASARY BETIRAVY 

ZAVATRA ILAINA:

. Betiravy lava vaventy iray
. Vinaingitra balsamika 2 sotro
. Menaka oliva 4 sotro
. "Moutarde à l ancienne" fa mety ihany koa tsotra 1 sotro
. Persily izay tiana
. Sira sy dipoavatra.

FIKARAKARANA AZY:

Voasana ary kikisana ny betiravy.
Tetehana madinika ny persily.
Afangaro avokoa ny akora rehetra ary arotsaka ao amin' ny betiravy.

Mazotoa o !

nahandron'i Malala Rondro Raharimanga
 

Lasary paoma

LASARY PAOMA - salade de pommes

ZAVATRA ILAINA 

paoma maintso
sakay voatoto (raha tiana)
tongolo , 
voamadilo kely 
voasary makirana 
Sira
menaka
siramamy kely (raha tiana)

FIKARAKARANA AZY:

Sasana ny paoma tsy voasana fa tetehina araka izay tiana dia afangaro amin'ny sakay voatoto sy tongolo voatetika boribory 
Asiana voamadilo kely sy ranomboasary makirana
Afangaro daholo asiana sira sy menaka ary siramamy kely raha tiana 

mazotoa o

Tsikri

TSIKRIA 

ZAVATRA ILAINA :
Manga manta (mety na mbola tanora , na ilay efa mafimafy)
tongolo madinika voavaofy maromaro
tongolo lay hasiny maromaro
Hanitra : "paprika, massala, kanelina, girofle"
Menaka 1L eo ho eo
Vinaigitra
sira
sakay lavalava

FIKARAKARANA AZY :

Lasary tsaramaso sy katsaka

LASARY TSARAMASO SY KATSAKA

ZAVATRA ILAINA
tsaramaso mena
tongolo gasy
celeri
oliva maintso
katsaka
Voatabia
tongolo be
thon
Katsaka
sira
menaka oliva 

FIKARAKARANA AZY

Lasary kokombra

Lasary kokombra - salade concombre 

Hohanina miaraka amin’ny kitonotono izy ity tena tsara ery

Zavatra ilaina :

Kokombra
voasary makirana
sira
menaka oliva (raha tiana)
voatabia 
sakay (raha tiana)
hanitra maintso : kotomila, persila, basilika sns (raha tiana)

Fikarakarana azy

Lasary laisoa

LASARY LAISOA

ZAVATRA ILAINA 

- Laisoa
- tongolo be 
- tongolo gasy(tsy atao be)
- tongolo maintso
- kotomila
- sira
- dipoavatra
- menaka oliva
- voasary makirana 
 

FIKARAKARANA AZY 

Lasary voatabia

Lasary voatabia - "rougail"

ZAVATRA ILAINA:

Voatabia

Tongolo be “échalote”

Tongolo mena

Tongolo maintso

Sakamalaho

Sira

Dipoavatra

Menaka oliva

Voasary makirana

Tongolo lay raha tiana
siramamy 1 tsongo

FIKARAKARANA AZY

Pages

S'abonner à lasary