mofo

Mokary au coco

Miarahaba ampifaliana indray o 
ODY AM-BAVA FO NA  GOUTER: MOKARY NA  MOFO GASY

Mofo gasy hany hoy aho fa tena gasy petaka be ny nanao azy sy ny fitaovana ary ny vokatra hihihi , vao voalohany ity fa ratsy bika fa tsara tsiro an 

ZAVATRA ILAINA

lafarina 250g,
obambary 250 g,
siramamy 200g,
atody 2, laolvay "levure boulanger" 1 fonosana,
Voanio vovony 100g,
menaka 3 sotro fihinanana
rano matimaty 350 cl eo ho eo . (azo ampiana lait de coco )

FIKARAKARANA AZY 

Mofo laisoa 2

MOFO LAISOA indray ary ô. 

Zavatra ilaina
Nozaraiko 4 ilay laisoa 1 iny dia ilay ampahefany no nataoko. 
1/4 laisoa 
Voatabia 2
lafarina (tsy misy fatrany fa arakaraky ny olona no maha betsaka na kely azy)
Sira sy dipoavatra ary rano 
Menaka fanendasana 

Mofo baolina speciale

BERLINER- BOULE DE BERLIN - MOFO BAOLINA HAFAKELY
 

ZAVATRA ILAINA

- lafarina 350g
- dibera 50g
- ronono matimaty tapaky ny vera 
- siramamy izay tiana
- sira iray tsongo
- lavanila 1 sotro kely
- Atody 2
- lalovay "levure boulangere" 2 sotro kely

FIKARAKARANA AZY:

Ramanonaka

Mofo ramanonaka

Zavatra ilaina:

koba vary 1kapoaka sy tapany, rano mafana tsara 1/2 l, siramamy 1sotro, sira, karibonetra 1sotrokely, menaka hanendasana

Fikarakarana:

afangaro anaty bol ny koba, karibonetra, siramamy, sira, rano, ary avela hilona 30mn ,tsy atao marihitra be nefa tsy matsora be ihany koa,

afanaina ny lasitra, somary atao mahery afo, hosorana menaka dia alefa ny paty, (norarahako fromage rapé sy tongolo maitso ny ahy ny sasany),

Harcha mofo

 HARCHA : galette marocaine - karazana mofo 
zavatra ilaina: 
350 gr de semoule fine. - 100 gr de beurre fondu - 150 ml de lait , 2 cas de sucre ,1/2 cac de sel , 1 sachet de levure chimique 

Mofo ronono

MOFO RONONO,

Zavatra ilaina:

farine 2pot yaourt, siramamy 1 sy tapany pot yaourt, atody 4, vanille, ronono 1/2 l, beurre atao amin'ny lasitra

Fikarakarana:

kapohina ny atody sy siramamy rehefa mitombo tsara dia arotsaka tsikelikely ny ronono manta,

manaraka ny farine voasivana farany ny hanitra 

Hosorana dobera ny lasitra dia alefa ao ny paty,

andrahoina atao "bain marie" mandritra ny 1ora sy sasany,

andrasana hangatsiaka vao esorina anaty lasitra

mazotoa o 

Roti indien (mofo)

Miarahaba e.
Roti no fiantso ny mofo, ary sakafo Indien izy ity . Hohanina miaraka amin`ny rougail sy saosy voanjo izy eto.

Mofo katsaka

Gateau katsaka angamba no mahalaza azy ity kosa.

zavatra ilaina:

katsaka manta tanora,

siramamy,

ronono mandry,

levure 1 tsongo.

(tsy nasiako fatrany fa izaho tsy tia mamy be, dia atao araka zay itiavana azy fotsiny)

Mokary

 

Mokary
 

Zavatra ilaina:

nahavita teo amin'ny 50 
koba vary 2pot yaourt (yama)
lafarina 1pot yaourt
levure boulangerie 2sotrokely
rano mafana 1pot yaourt
lait de coco 1/4l
atody 2
siramamy 1/2 pot yaourt
lait concentré 1/2 boite
coco rapé 1pot yaourt
Beurre 50g

Fikarakarana:

Mofo Makasaoka

 

MOFO MAKASAOKA

misy karazany 2 ireto :

1-recette de Dina Ramangatsihoarana 

ZAVATRA ILAINA
mofo dipaina,
lafarina 300g ,
atody 3,
ronono 1/4L,
siramamy izay tiana,
azo asiana lavanila na "sucre vanillé " raha tiana
talovay 1 fonosana (11g eo) levure chimique;
menaka fanendasana.

Pages

S'abonner à mofo