Mofo menakely 2

39

Mofo menakely

Zavatra ilaina:

Lafarina 400g, 
Kobambary 400g,
Siramamy 400g,
Ronono 400 ml,
Rano 300ml
Lalovay simika 1 fonosana,
Atody 4 ,
 

Fikarakarana azy

afangaro daholo ireo zavatra ilaina ireo, tsy atao mitsiranoka be, no tsy atao madity loatra koa,

avela hipetraka, izany hoe alona sady saromana lamba fara fahakeliny ora iray!

Endasina tsy atao be ambilany ary rehefa mandraraka azy ao anaty lapoaly dia raisina amin'ny sotrobe dia ahodina boribory.

mazotoa ndray aza ee

 

de Soa Bonheur 

Catégorie: 
Matériels: 

Commentaires

Mampilendalenda izy izany...