akoho

Crispy chicken

 LAOKA NA TSAKITSAKY : AKOHO MIKAREPOKA (CRISPY CHICKEN)

ZAVATRA ILAINA 

akoho izay tianao (ny ahy eto elany)
Sira
dipoavatra
ketchup (na chili sauce raha tia masiaka)
lafarina
yaourt nature

FIKARAKARANA AZY 

Poulet aux poireaux

AKOHO nampiarahana tamin'ny POIREAUX 

Zavatra ilaina : 
Akoho  
Poireaux
Sira 
Menaka : 2 sotro fihinana 
Dipoavatra
Tongolo gasy voakiky 
Sakamalao voakiky 

Fikarakarana azy : 

Portrait de Angie

Lasopy sy akoho

Lasopy legioma sy akoho

Zavatra ilaina:

ovy, celeri, voatavo, poireau, tongolo be, akoho, voatabia, karoty, sira, rano

Fikarakarana azy:
Tonga dia natambatro anaty vilany daholo rehefa voasasa sy voatetika ny ovy, celeri, voatavo, poireau, tongolo be, akoho, voatabia, karoty, sira ary asiana rano mandifotra azy rehetra. 
Tanehina amin'ny afo malefaka mandram- pisasaky ny rano.
Azo soloina hena hafa ny akoho izay manome tsirony ny legioma mitambatra. Ary azo esorina koa ny hodiny raha matavy loatra.

Poulet farci

Poulet farci

Zavatra ilaina:

akoho 1,  totokena 125g, champignon noir 1 sachet, ovy, tongolo maintso, sira, menaka.

Fikarakarana azy:

Sasana ny akoho dia esorina daholo ny ao anatiny , ary asiana sira na anatiny na ivelany

- Endasina miaraka amin ny tongolo maintso ny totokena ,

- Alona anaty rano ny champignon noir rehefa mivelatra tsara dia tetehina madinika dia endasina miaraka amin ny totokena koa  asiana sira  

Akoho sy legioma

Akoho sy legioma 

zavatra ilaina :

ovy, karaoty, courgette, haricots verts, poireau , sira, sakamalaho, kotomila, poivre

akoho

Fikarakarana azy :

Andrahoina en vapeur ny legioma rehetra rehefa voasasa sy voatetika lehibebe : ovy, karaoty, courgette, haricots verts, poireau, 

Endasina ny akoho na andrahoina kely araka izay tiana asiana sira sy sakamalaho

Rehefa masaka en vapeur ny legioma dia endasina tamin'illay apoaly avy nanendasana henan'akoho asina kotomila, sira, poivre.

Akoho sy kabaro saosy

Poulet au kabaro sauce

zavatra ilaina:

akoho, kabaro, tongolo be, menaka, sira, voatabia, tongolo gasy

fikarakarana azy:

nendasina ny poulet mba hisy lokony sy tsy hiparitaka,

nandrahoina mitokana ny kabaro,

notetehina maventy ny tongolo ary nendasina ho masaka

narotsaka ny tongolo gasy ary nafangaro,

narotsaka ny poulet sy ny tomates sauce ary ny kabaro efa masaka dia afangaro,

tenehina amin'ny afo malefaka mandrapivoaka ny tsirony sy ny fofokanina.

Akoho sy poivrons

Akoho sy poivrons

zavatra ilaina :

akoho, tongolo gasy, sakamalaho, sira, poivre, thym, sauce d'huitre, menaka, poivrons, rano. 

fikarakarana azy: 
nosasana ny akoho, nolomana tongolo gasy sy sakamalaho voatoto, se, poivre, thym, suace d'huitre ary menaka kely.

Arotsaka anaty vilany, avela hiketrika, rehefa ritra dia asiana oignons voatetika sy poivrons kely, tapohana rano kely ka rehefa miverina ritra dia vita.

Afaka asiana tongolo maitso na kotomila alohan'ny hibatana azy.

Henakisoa sy akoho ary crevette

Akoho sy hena- kisoa ary " crevettes" andramo anie fa tena natsiro !!!!

Zavatra ilaina :

henakisoa,
crevettes,
akoho,
tongolo gasy,
voatabia,
tongolo be,
sira,
menaka

Fikarakarana azy:

Akoho sauce

ny zavatra ilaina :

akoho , menaka, tomate, oignon, tongolo Gasy , carry, poivre , sira, tomate sauce , siramamy .

fikarakarana azy :

tetehana ny akoho , tomate, oignon , totona ny tongolo Gasy.

Afanaina ny menaka rehefa mafana dia arotsaka ny tongolo Gasy sy ny oignon, avela hanome loko marron.

Arotsaka ny tomate sy ny tomate sauce afangaro tsara.

Arotsaka ny sira sy ny siramamy ary ny poivre sy carry atao mendy tsara

Arotsaka amin'izay ny akoho asina rano Kely dia avela ho ketsaketsa ,

akoho sy ovy

Ity indray dia fomba roa samy hafa hahafana manao akoho sy ovy ,

  • ny iray tian'ny ankizy : ilay ovy endasina sy ilay akoho atono

alona amin'ny huile d'olive sy sauce soja ary tongolo gasy kely ny akoho tokony ho 30min eo.

ampangotrahana ny rano dia asiana sira ary arotsaka ao ny ovy voatetika , rehefa miverina mangotraka dia avela 5 min ary dia esorina

hafanaina ny lapoaly ary asiana menaka izay tokony hampitsingevana ny ovy.

Endasina ny ovy ary atono ny akoho rehefa masaka dia miara aroso

 

Pages

S'abonner à akoho