Menaka

Orita frity

ity indray Orita frite tena miam miam be an (poulpe frite)

NB: raha mbola tsy madio no vidiana dia mila jerena tsara ny loko raha vao tsy mangirana izy dia tsy frais an. Esorina ny masony sy ny nifiny fa tsy tetehana , somary kapokapohana , izany hoe alaina dia akapoka amin'ny latabatra hiasana ao andakozia ary tena heno miova miha malemy izy. vita izay vao sasana tsara.
raha efa voasasa kosa no vidiana dia kobanina dia tonga dia azo atao izay hitiavana azy . eto izany dia endasina

Zavatra ilaina :

Anamamy sy angivy

Anamamy sy angivy

zavatra ilaina:

anamamy, angivy, menaka, sira

fikarakarana azy :

- sasana ny anana

- afanaina ny menaka,

- arotsaka ny anana voadio,

- avela iketrika kely eo ary atao mitovy tantana aminy ny ranony.

- rehefa ho akaiky ho masaka dia arotsaka ny angivy sy ny sira

Mazotoa o 

de Manitra Rasoavolahanta

 

Akoho sy kabaro saosy

Poulet au kabaro sauce

zavatra ilaina:

akoho, kabaro, tongolo be, menaka, sira, voatabia, tongolo gasy

fikarakarana azy:

nendasina ny poulet mba hisy lokony sy tsy hiparitaka,

nandrahoina mitokana ny kabaro,

notetehina maventy ny tongolo ary nendasina ho masaka

narotsaka ny tongolo gasy ary nafangaro,

narotsaka ny poulet sy ny tomates sauce ary ny kabaro efa masaka dia afangaro,

tenehina amin'ny afo malefaka mandrapivoaka ny tsirony sy ny fofokanina.

Akoho sy poivrons

Akoho sy poivrons

zavatra ilaina :

akoho, tongolo gasy, sakamalaho, sira, poivre, thym, sauce d'huitre, menaka, poivrons, rano. 

fikarakarana azy: 
nosasana ny akoho, nolomana tongolo gasy sy sakamalaho voatoto, se, poivre, thym, suace d'huitre ary menaka kely.

Arotsaka anaty vilany, avela hiketrika, rehefa ritra dia asiana oignons voatetika sy poivrons kely, tapohana rano kely ka rehefa miverina ritra dia vita.

Afaka asiana tongolo maitso na kotomila alohan'ny hibatana azy.

Atody sy atidohan-kena

ATODY SY ATIDOHAN-KENA

Zavatra ilaina:

atidohan-kena 1, atody 3, oignon 2, kotomila, sira

Fikarakarana

Rehefa voadio ny atidohan-kena dia alahatra anaty lasitra efa nasiana menaka na dibera, apetraka manaraka ny oignon efa notetehina boribory, manaraka ny kotomila voatetika madinika ary farany ny atody nokapohina nasiana sira kely

Andrahoina atao bain marie mandritra ny 30mn

Mazotoa daholo indray ary e!

de Aina Rakotoarisoa

 

Portrait de Angie

Croquette de pomme de terre et sardine

CROQUETTES DE POMME DE TERRE ET SARDINE  

ZAVATRA ILAINA:

ovy, 
sira,
dipoavatra,
atody, 
poireau,
sardine,
menaka,
poti-mofo

FIKARAKARANA AZY;

- andrahoina aman-kodiny ny ovy, rehefa masaka dia voasana ary dia potserina

- maka bol dia afangaro ao daholo ny ovy, sardine, sira kely, poivre, atody 1 voakapoka ary poireau voatetika madinika.

- volavolaina atao boribory dia ampandalovina chapelure dia endasina.

Fanamarihana :

Portrait de Angie

Croquette saonjo

LAOKA na TSAKITSAKY : CROQUETTE SAONJO

Zavatra ilaina

Ho an'olona 4: 
saonjo gasy 5 madinika
fromazy 100g
tongolo maitso
tongolo gasy,
sira
poti-mofo (chapelure)
lafarina
atody 2
menaka

Fikarakarana :

Boulettes de riz

BOULETTES DE RIZ.

zavatra ilaina:

vary, crème fraiche, sira, poivre, atody, jambon, chapelure, menaka

Fikarakarana azy:

Andrahona atao mohaka ny vary ary rehefa masaka dia mixer-na miaraka amin'ny crème fraiche na fromage fondu sy sira, poivre ary atody 1.

Tetehana en dé ny jambon.

volavolaina ny boulettes dia asiana dé de jambon 1 ao anatiny.

ampandalovina chapelure dia endasina amin'ny menaka mafana tsara sy mandifotra azy.

Mofo algues

 

MOFO ALGUES : gouter hafakely : algues frites
tena mora kely toy ny manao mofo anana ihany fa algues eto no ampiasaina

ZAVATRA ILAINA

algues na anana raha tsy misy 
Lafarina
labierre na rano , 
sira , 
ny sakasy sy ny lalovay na hoe "levure" dia azo asiana raha tiana, 
menaka fanendasana.

FIKARAKARANA AZY:

Mofo Makasaoka

 

MOFO MAKASAOKA

misy karazany 2 ireto :

1-recette de Dina Ramangatsihoarana 

ZAVATRA ILAINA
mofo dipaina,
lafarina 300g ,
atody 3,
ronono 1/4L,
siramamy izay tiana,
azo asiana lavanila na "sucre vanillé " raha tiana
talovay 1 fonosana (11g eo) levure chimique;
menaka fanendasana.

Pages

S'abonner à Menaka