trondro

Portrait de Angie

Tilapia frity

LAOKA na TSAKITSAKY : TRONDRO ENDASINA

ZAVATRA ILAINA:

Trondro tilapia na izay tiana
menaka fanendasana
sira
dipoavatra 

FIKARAKARANA AZY:

Sasana tsara ny trondro dia esorina ny kirany sy ny atiny dia somary didiana ny vatany 
Asiana dipoavatra sy sira 
Hafanaina ny menaka betsaka dia endasina atao mikarepoka tsara 
Apetraka amin'ny taratasy hitsika tsara ny menaka dia aroso. 
Matsiro na hohanina amin'ny vary na salady 
Mazotoa o 

Portrait de Angie

Trondro andrahoina

TRONDRO NANDRAHOINA - POISSON EN PAPILLOTTE

Ity fahandro trondro ity dia mitana ny otrikaina rehetra tsy toy ny endasina na andrahoina atao saosy sy ritra fa atao anaty fonosana. Mora atao tokoa 

Zavatra ilaina:

trondro, (dorade)
celeri,
karoty
tongolo be
menaka oliva,
sira,
 

Fikarakarana azy:

- Sasana tsara ny trondro (kikisana ny kirana ary esorina ny ao anatiny ) ary rehefa madio tsara dia hamainina tsara

Trondro sy legioma

TRONDRO sy LEGIOMA

ZAVATRA ILAINA : 

Trondro ( izay tianao ny habetsahany)
Legioma (izay rehetra tianao ihany koa)
Tavolo (fécule) 1 sotro
Saosy soja 1sotro
voatabia (tsy voatery) sy hasina izay tiana (tongolo gasy, ...)
Rano 100ml
Menaka 
Sira

Trondro amin’ny “rano adala “

Trondro amin’ny “rano adala “ –" pesci all’acqua pazza" –  "fish crazy water" - "poisson à l'eau folle"

 

Zavatra ilaina:

trondro, voatabia, kotomila, tongolo gasy, menaka, sira, divay fotsy , dipoavatra (raha tia)

Fikarakarana azy:

Tartare de poisson

Ho an'izay tia trondro manta dia azo atao ity recette tsotra fa tsara ity 

Zavatra ilaina :
- NofoTrondro frais Tsara ( izay tiana) 
- Voasary makirana
- Manga masamasaka
- Sira
- Poivre
- Persily
- Huile kely
- Radis

Fanaovana azy:

Nems trondro

NEMS TRONDRO !

Ho avy indray ny pâques rankizy,
Hifady hena ka dia izao no izy :

Manamboara nems @ trondro,
Fa aleo io toy izay mofo akondro !

Ahandroy ny petits pois, carotte ary ovy,
Dia mandanjà trondro ataovy mitovy,

Rehefa masaka daholo izy ireo,
Dia ny légumes tetiteteho,

Ny trondro indray, ny taolany esory,
Sy ny hodiny izay manorisory,

Avy eo afangaroy daholo,
Dia asio poivre, sira, tongolo !

Ny fonony efa ao @ fichier,
Ny haingony sisa atao marobe :

Bûche de Noël salée

Bûche de Noël salée

Avereno kely indray mandeha,
Hoy ilay olona izay !
K’aza avy ianao hilaza hoe :
Ohhh ! efa hitanay !!!

Sakafo faran’izay tsotra
Nofon-trondro efa nahandroina
Sy ovy masaka voapotsitra
Mety koa raha nototoina !

Afangaro izy ireo
Dia asiana mayonnaise koa,
Atao sary hazo avy eo,
Dia amboarina ho soa !

Ilay sary hazo asiana tonony,
dia atao malama tsara,
Ary hosorana mayonnaise indray eo amboniny,
Dia soritana @ fourchette ho makarakara !

Trondro saosy

Zavatra ilaina:

trondro, voatabia, tongolo be, tongolo lay, menaka, Sira

Fikarakarana azy

- manao saosy voatabia sy tongolo oignon voatetika ary asiana tongolo gasy kely voatoto.

- zaraina roa ny sauce ka ny antsasany atao ao anaty vilany ny antsasany esorina amin'ny vilia aloha 

- rehefa voasasa tsara ny trondro dia tetehana araka izay tiana na koa avela ho ilay ngezabe,

- apetraka eo ambonin'ilay sauce ny trondro ary atao eo amboniny ilay sauce tamin'ny vilia 

S'abonner à trondro