voatabia

Pizza au champignons

Pizza vita atrano - pizza misy olatra

Zavatra ilaina

- voatabia torotoro iray boaty1 (tomates purée) , olatra (champinion de paris) singany dimy5, tongolo lehibe singany 1, bacon ( kibokiso tetehina manify)100g, fromage 200g ary farany voatabia tetika manify (tranche de tomates) singany 2.
 farine, atody, rano, levure boulangere,  levure essentiel

Fikarakarana azy:

Lasopy legioma

Lasopy legioma

zavatra ilaina:

Ovy ,carotte ,haricot vert, sosety,voatavo,tsaramaso lena, voatabia,sakamalaho iray kelikely ary tongolo maintso 

Fikarakarana azy:.

Rehefa madio daholo ny legioma dia tetehina,

afanaina ny menaka ary arotsaka ny voatabia. avy eo ny legioma ary avela ho mendimendy eo.

aroina sao may ary rehefa mendy dia tapohana rano kely.

somary potserina ireo legioma sasany.

Saosisy sy cocombre

Saosisy sy cocombre.

Hafa kely. Ny mahazatra antsika dia atao lasary ny cocombre fa ity indray dia nandrahoina, nendasina moa izany 

zavatra ilaina: 

sosisy, concombre, voatabia, tongolo be, tongolo maintso, sira

Fikarakarana azy:

Narotsaka tanaty vilany ny saosisy dia nasiana rano kely,

rehefa ritra dia arotsaka ny voatabia sy tongolo oignon sy tongolo maitso

rehefa mendy tsara dia arotsaka ny cocombre voatetika asiana sira kely araka izay tiana 

Rehefa mendimendy dia vita.

Akoho sy kabaro saosy

Poulet au kabaro sauce

zavatra ilaina:

akoho, kabaro, tongolo be, menaka, sira, voatabia, tongolo gasy

fikarakarana azy:

nendasina ny poulet mba hisy lokony sy tsy hiparitaka,

nandrahoina mitokana ny kabaro,

notetehina maventy ny tongolo ary nendasina ho masaka

narotsaka ny tongolo gasy ary nafangaro,

narotsaka ny poulet sy ny tomates sauce ary ny kabaro efa masaka dia afangaro,

tenehina amin'ny afo malefaka mandrapivoaka ny tsirony sy ny fofokanina.

salady zavoka 1

salade avocat.
Zavatra ilaina:

zavoka, voatabia, atody, voasarimakirana, tongolo maitso
Fikarakarana:

atao en dé ny zavoka dia asiana jus de citron sy sira ary tetika tongolo maitso.

Atao en dé koa ny voatabia dia asiana sira.

Andrahoina amankorany ny atody.

Apetraka anaty emporte pièce ny zavoka dia ny tetika voatabia manaraka.

Atao en quartier ny atody dia apetraka manodidina azy.

Mazotoa daholo e!

de Aina Rakotoarisoa

 

Salade de riz 1

SALADE DE RIZ

Zavatra ilaina :

karoty 3,
katsaka anaty boaty ½,
vary votsy 1kapoaka,
voatabia 2 ,
kokombra 2,
saosy voasary makirana sy mayonnaise 1sotro,
atody 1,
tongolo maitso,
champignon noir
 

Fikarakarana :

Henakisoa sy akoho ary crevette

Akoho sy hena- kisoa ary " crevettes" andramo anie fa tena natsiro !!!!

Zavatra ilaina :

henakisoa,
crevettes,
akoho,
tongolo gasy,
voatabia,
tongolo be,
sira,
menaka

Fikarakarana azy:

Lasary kokombra sy katsaka

LASARY KOKOMBRA SY KATSAKA 

Mbola mitady dikan-teny malagasy amin'ny "concombre " indray aloha fa mandrapa dia ireto no heno  :kaokaombra , kokombra, na kinesy hono any amin'ny faritra sasany ao Madagasikara 

ZAVATRA ILAINA:

concombre 2 

voatabia vaventy 6

katsaka amin'ny boaty 1/3.

Persila na kotomila kely

 

Fikarakarana azy:

Mofo legioma

Mofo legioma - mofo anana

zavatra ilaina:

laisoa (chou doux),
karaoty voakiky 
persil,
tongolo mena,
voatabia
tongolo lay,
sira  
dipoavatra,
atody,
lafarina,
menaka fanendasana
 

Fikarakarana azy: 

Tetehina ny laisoa (chou doux), afangaro amin'ny karaoty voakiky, persil, tongolo mena, voatabia sy tongolo lay voatetika dia asiana sira sy dipoavatra.

Mofo laisoa

 

zavatra ilaina: 

laisoa, farine 250g , voatabia 1, oignons 2 , levure 1 sotro, sira, rano kely  ary menaka hanendasana azy.

Fikarakarana azy:

- tetehana madinidinika ny laisoa, 
- maka bol dia atao ao ny farine, voatabia, levre,  oignons ary ny laisoa asiana sira sy rano matimaty kely 
- Tsy atao be rano loatra ary tsy atao matsora be koa anefa.

- Tsy avela hilona elabe fa manjary mandany menaka fa 30mn monja dia ampy.
- Endasina amin'ny menaka mafana 

Pages

S'abonner à voatabia