Poésies

Beignets d'As

Beignets d'As

A ohatran'ny hoe: Aubergine!
S ohatran'ny hoe Saosisy!
Ampiarahina dia tsy maninona,
Saucisson atao raha sendra tsy misy!

Alaivo ny salade mifangaro,
Alamino ao anaty lovia
Poivron maitso, mavo, mena mifangaro,
No entina ampihaingoana azy ity!

Tetehina aloha ilay aubergine,
Iray santimetatra eo ny hateviny,
Ny saosisy izay ao anatiny tsinona,
Atao latsak'izay indray ny refiny!

Choux surprise

CHOUX SURPRISE !

Ity indray ny manaraka
Crevettes, trondro asaratsaraka,
Poivron maitso sy mena,
Laisoa aha-tsara jerena.

Alohan'ny anombohana azy,
ilay laisoa no atao vazy,
papier alu no atao fonony,
cure-dent no atao tonony.

Rehefa Masaka ny trondro,
Tsapaina tsara amin'ny fanondro,
Dia esorina ny nofony,
asio tongolo ravina hanala fofony.

Dia ampio sira kely,
maïzena tsikelikely,
Ataovy baolina amin'izay,
Dia ny rano ampangotray!

Les Haricots

Les Haricots 

Faran'izay tsotra
Anefa koa dia tsara!
Tsy ahandroina ela loatra,
Anefa tsy manta toa lasary!
"Haricots verts" sy "mange- tout"
"Haricots plats"sy "mini-carottes"koa!

Ahandroina miaraka
Asiana menaka sy sira kely,
Ny rano 1 verre arotsaka manaraka
Satria izy io tsy endasina velively!
Dia asiana persil efa voatetitetika
Ary tongolo gasy kely satria ny fofon"io milentika!

Saint Valentin

Saint Valentin 

Lasa aloha izy ity ry zavavy!
Tsy maninona satria tena favy
Elle ne ressemble à rien, 
Mais c'est pour le saint Valentin!

Raha Jerenao tsara izy ity
Dia loham-behivavy ao anaty lovia!
Mitsiky sy toa miramirana
Ny volo sy vavany akondro mihorirana.

Pomme sy paiso ny sofina sy masony
Pomme mena ny orona sy volomasony
Raisins secs no nataoko kaviny
Mandarine roa no raviraviny!

Atinkena sy ovy

Atin-kena sy ovy

Zaraina ampifaliana fa tena sady tsara ny laoka no tsara koa ny poesie : 

Ity indray ny nataoko androany
Aza gaga na koa manontany
Fa nanfangaroko ny manta sy masaka
Dia ny radis sy ovy miparasaka!

Pomme maitso no manasaraka azy
toy ny fefy na koa toa barrage,
Kanefa azo miaraka hohanina
tena tsara sy mampisonanina!

ny ovy efa masaka no tetehina indray
avy eo mbola endasina tsy atao may
Ary hatokana sy avela hanitsinitsy
Dia endasina ny foie de génisse!

Salade de crevette

SALADE DE CREVETTE

Sakafo tsy mba mampatavy

Andramo fa tsara io rahavavy!

Tsy salade no atao fa endives

ampihaingoana voan'olive,

Cornichon ary koa voatabia,

Crevettes tsara masaka ery!

Asio sauce vinaigrette,

Dia ho hitanao fa mety dia mety!

Tena tsotra sy tsara izy ity,

Izay indray ary fa bon appétit!!!

 

Tononkalo sy nahandron'i Mamiarisoa Lalao RALAITSIROFO

 

Pages