Akoho amin'ny labiera

861

AKOHO AMIN'NY LABIERA – cuisses de poulet ou hauts de cuisses à la bière

ZAVATRA ILAINA

Akoho, na fen’akoho na foto-pen’akoho
bacon na lardons izay ampy
Labiera 1 tavohangy 33cl na izay ampy
tongolo gasy hasina 2 na 3
moutarde na thym na hanitra izay tiana

FIKARAKARANA AZY
 

1 ANATY LAFAORO

Esorina ny hoditry ny akoho (eto dia amin’ny hety dia mety) ary somary didiana mba hidiran’ny tsiro rehefa andrahoina
Fonosina lardon na bacon ny henan’akoho rehetra
Maka lasitra mandeha lafaoro dia alahatra ao ny akoho
Voasana ny tongolo gasy dia atao anaty lasitra ary ny hanitra izay tiana: moutarde, senapé, thym… asiana sira kely raha tiana (matetika ny lardons efa misy sira)
Tondrahana labiera manafotra azy ny henan’akoho dia ampidirina anaty lafaoro efa nafanaina mialoha 200°C mandrapa masaka azy (tokony ora 1 eo fa araky ny lafaoro io) ka lasa menamena tsara ary ritra ny labiera, fa misy saosy kely dia vita

 

2. ANATY VILANY: poulet ou cuisses de poulet aux lardons et à la bière caramelisé

- Ampiana ny zavatra ilaina : menaka kely , tongolo be 1 sy tantely 2 sotro lehibe mba hanome tsiro “caramelisé”

Endasindasina ao anaty vilany aloha ny lardons sy ny tongolo be voatetika
Esorina ny hoditry ny akoho dia arotsaka ao anaty vilany koa ary avela ho mendimendy haka loko tsara. Izay vao arotsaka ny tongolo gasy voatoto.
Rehefa mendimendy ireo dia araraka ny labiera sy ny tantely dia avela hitanika 45 minitra eo arakaraky ny akoho moa io. Jerena matetika sy haroina sao miraikitra satria mihena ny saosiny. Andramana rehefa masaka ary azo asiana sira araka izay tiana nefa azo tsy asiana ihany koa.

Matsiro be

Mazotoa o 

Nahandro sy sary natolotry ny namana José sy Laingo R. 

Catégorie: