Akoho amin'ny voanio

905

AKOHO AMIN'NY VOANIO miaraka amin'ny QUINOA AMIN'NY EPINARA

POULET AU COCO REVISITE ACCOMPAGNE DE QUINOA AUX EPINARDS

ZAVATRA ILAINA:
¤ Ho an'ny akoho :
nofon-tratran'akoho (Filet de blanc de poulet) 700g
rononom-boanio (lait de coco) 250ml - 500ml izy tianao
tongolo madinika na grelot 100g
purée de tomate 1sotrokely
carry (taf no nampiasaina teto) 2 tsongo
maizena 2 sotrokely (na lafarina 1sotrokely)

¤ Ho an'ny quinoa amin'ny epinara:
quinoa izay ampy
rano avo 3heny amin'ny habetsaky ny quinoa
cube bouillon
sira
dibera kely na menaka
epinara izay ampy

FIKARAKARANA AZY :

¤ Ho an'ny akoho :
- Tetehana matevitevina mivelabelatra ny nofon'akoho, asiana sira , - Afanaina ny menaka , arotsaka ny akoho voatetika ; rehefa mahazo loko tsara dia arotsaka ny tongolo madinika (tsy tetehana), arotsaka koa ny "purée de tomate" , asiana rano 1/2 vera ka avelao hangotrangotra kely eo hanamasaka ny tongolo, ampiana raha ilaina ho ketsaketsa mandrapahamasaky ny akoho

- vita izay, arotsaka ny rononom-boanio, dia avela hangotraka kely 5 minitra. Maka rano mangatsiaka 1/3 vera ka aroaroina ao ny maizena na lafarina ary arotsaka anaty saosy avy eo. Atao malefaka ny afo ka rehefa levona tsara sy nifangaro tsara ny saosy sy maizena dia ajanona.

- Aroso miaraka amin' ny vary fotsy na quinoa , eto dia quinoa amin'ny epinara no naroso niaraka taminy.

¤ Ho an'ny Quinoa amin'ny epinara:
- Arotsaka anaty rano avo 3 heny amin'ny habetsahany ny quinoa, asiana cube bouillon ary andrahoina toy ny mahandro vary maina mohoka, tsy avela hiraikitra

- Etsy andaniny, kosa hafanaina ny dibera na menaka, arotsaka ny epinara araky ny hitiavanao azy, asiana sira. Rehefa malefaka tsara na ritra dia afangaro ny quinoa efa voakarakara sy ny epinara.

- Atao ambony lovia dia omena izay endrika hitiavanao azy.

Mazotoa o !

 nahandro sy sarin'i NyÉko Soké Zita

Catégorie: