Akoho ritra

804

AKOHO RITRA – 

Zavatra ilaina :

akoho izay apy
tongolo gasy
sakamalaho voatoto
sira, dipoavatra
thym
« sauce huitre »
menaka
tongolo, sakaibe
tongolo maitso na kotomila

Fikarakarana : 

- sasana ny akoho dia lomana tongolo gasy sy sakamalaho voatoto, sira, dipoavatra, « thym, sauce d'huitre » ary menaka kely.
- Arotsaka anaty vilany, avela hiketrika, rehefa ritra dia asiana tongolo voatetika sy sakaibe
- tapohana rano kely ka rehefa miverina ritra dia vita.
- Afaka asiana tongolo maitso na kotomila alohan'ny hibatana azy.

Mazotoa o

Nahandron'i Mihaja Andriamparany

 

Catégorie: