Akoho sy concombre

437

AKOHO SY CONCOMBRE

Zavatra ilaina :

fen’akoho, concombre, celeri, tongolo, sauce soja, tongolo gasy, sira, menaka

Fikarakarana azy : 

Lomana mandritra ny 30mn amin’ny sauce soja sy totona tongolo gasy ary sira ny akoho. Endasina amin’ny menaka mafana avy eo, tsy atao masaka ny anatiny fa rehefa mendy ny ivelany dia esorina
Afanaina ny menaka, arotsaka ny tongolo voatetika madinika manaraka ny celeri avela hamoaka ahanitra manitra tsara dia arotsaka ny concombre voatetika, haroina hifangaro amin’ny saosy afaka 5mn dia alahatra eo amboniny ny akoho voaendy, rehefa miverina mangotraka dia vita.

Mazotoa o

Nahandron'i Aina Rakotoarisoa et groupe TABITA

 

Catégorie: