Akoho sy korzety

Portrait de Angie
746

LAOKA : AKOHO MENDY amin'ny KORZETY SY TONGOLO (Poulet frit aux courgettes et aux oignons) 

Zavatra ilaina :
akoho izay ampy
saosy soja
tongolo gasy
korzety 
tongolo Ejipta
Rano 1 kaopy
tavolo mangahazo (fécule de manioc) 1 sotro fihinanana
vinaingitra 1 sotro.
épice "galam massala" 1 tsongo

Fikarakarana azy :
- tetehana ny akoho ary alona saosy soja sy tongolo gasy 30 minitra
- tetehana ny korzety sy tongolo ejipta
- endasina amin'ny vilany saba (wok) amin'ny menaka kely ny akoho efa voalona, rehefa menafify dia arotsaka ny legioma voatetika, ampiakarina ny afo eto mba tsy ho masaka ireo korzety, asiana saosy soja, galam massala, afangaro tsara, 
- afangaro ny "fécule de manioc" sy ny rano ary ny vinaingitra ary arotsaka ao mba hanome saosy tsara rehefa vita. 
- Atao sakafo miaraka amin'ny vary fotsy.

Moa tsy toy izao ve no hitanareo eny amin'ny mpivarotra sakafo masaka e ?

Mazotoa ary.

nahandron'i Bonbon Mamibé

 

Catégorie: