akoho sy ovy

34

Ity indray dia fomba roa samy hafa hahafana manao akoho sy ovy ,

  • ny iray tian'ny ankizy : ilay ovy endasina sy ilay akoho atono

alona amin'ny huile d'olive sy sauce soja ary tongolo gasy kely ny akoho tokony ho 30min eo.

ampangotrahana ny rano dia asiana sira ary arotsaka ao ny ovy voatetika , rehefa miverina mangotraka dia avela 5 min ary dia esorina

hafanaina ny lapoaly ary asiana menaka izay tokony hampitsingevana ny ovy.

Endasina ny ovy ary atono ny akoho rehefa masaka dia miara aroso

 

  • ny iray kosa tianay lehibe : au four daholo ny akoho sy ny ovy

afanaina mialoha à 200° ny four

Sasana ny akoho ary tetehana koa ny ovy araka izay habeany hitiavana azy

asiana romarin sy sira dia atsofoka ao anaty four efa mafana tsara ary tsy kitihina mihintsy mandrapa-mena tsara azy

mazotoa o

Ingrédients: 
Catégorie: 
Matériels: