Asikoragna amin'ny zavoka

506

 Asikoragna amin'ny zavoka

Ho an'olo-droa
Zavatra ilaina:
- Zavoka 1
- Asikoragna 100 g (crevettes)
- Voasary makirana 2
- Persily 100 ar
- Atody 1
- Voatabia 1
- Menaka
- Sira

Fikarakarana azy :

Zaraina roa ny zavoka, esorina ny hodiny sy ny voany, tapatapahana lavalava manaraka ny sakany ary rarahana voasary makirina sy sira kely
Apetraka ambony vilia ny emporte piece boribory dia alahadahatra ao ny zavoka
Mampangotraka rano asiana sira, rehefa izay dia arotsaka ao ny Asikoragna
Esorina anaty lovia rehefa masaka dia esorina ny hodiny, tapahana hizara roa
Tetehina ho efa joro ny voatabia sy ny ambiny zavoka tetsy ambony.
Tetehina madinika ny persily
Manamboatra mayonnaise
Afangaro daholo ny voatabia zavoka mayonnaise persily asikoragna voatetika dia asiana citron sy sira kely
Alaina ilay zavoka natao tanaty emporte piece teo dia arotsaka ao ireo fangaro farany ireo
Mazotoa homana tompoko

Nahandron'i Nalitiana Tafangy 

 

Catégorie: