Assortiment de verrines

399

"ASSORTIMENT DE VERRINES" - Entrée variée  -  Fanonkafam-bavony 

A - Verrines des légumes

1) "Hors d’œuvre" : ovy, betiravy, tongolo mena, "vinaigre de cidre", "Mayonnaise"

Andrahoina miaraka amin'ny hodiny ny ovy, ary rehefa mangatsiaka dia tetehina efamira madinika ( en petits dés)

Tetehina efamira madinika ny betiravy masaka ary afangaro tsara amin'ilay ovy, tetehina madinika ny tongolo mena (échalote) dia afangaro aminy.

Asiana sira ,vinaigre de cidre (safidiko io amin'izay manitra no mahasalama rahateo ; fa afaka soloina vinaigitra tsotra) arotsaka ny mayonnaise tsy dia atao betsaka.

2) Lasary karaoty : karaoty, laisoa, sakamalaho, curry, dipoavatra, "sauce vinaigrette", voasary makirana, tongolo

Rehefa voatetika madinika ny laisoa, dia arotsaka ao anaty rano mangotraka ( tsy atao masaka loatra ) tsihifina tsara, dia avela hangatsiaka.

Kikisana ny karaoty, asiana sira sy voasarymakirana, tetehana efamira madinika koa ny sakamalaho ary arotsaka ao.

Tetehana ny tongolo, afanaina ny menaka tsy dia atao mamay loatra, arotsaka ny tongolo sy curry tsy dia atao masaka loatra,

Rehefa mangatsiaka tsara ny laisoa, dia afangaro amin'ny karaoty ary ny tongolo.

3) " Macaroni " masaka, tsy dia atao betsaka fa izay hahazoana loko fotsy fotsiny émoticône smile

4) Lasary "concombre" ( tetehina efamira madinika ),Voatabia ( fidiana mba ho mafy fanaovana lasary, tsy dia mitera -drano amin'izay)
Tetehana madinika koa ny kotomila ary afangaro izy telo, asiana sira kely.

5) Manga : tetehana, atao lasary ( na somary masaka aza tsy maninona fa asio "vinaigre de cidre" ary sira kely )

B - "VERRINE AVOCAT SURIMI (bâton de crabe) :

Potehana amin'ny "mixer" miaraka, manao "sauce vinaigrette" arotsaka tsikelikely mba hifangaro tsara.

Marihako fa tsotra sady tsy dia lafo nefa mahavoky. Aza adinoina ny sakay

Nahandron'i Mary Lou Ranaivoarisoa

Catégorie: