Atin-kena

Portrait de Angie
145

ATIN-KENA 

ity indray ny masaka androany
Tsy tena hoe zava-baovao!
F'efa fihinanao isan'andro ihany
Saingy tsy @ endriny mahazatra anao!

Alaivo ary ilay bolongan'atin-kena
300g dia tapaho madinika @antsy
Aza atao @ fitotoan-kena
Satria raha potika loatra dia ratsy!

Alaivo ny tongolo be iray
Tsy mila laona kely fa antsy
Dia tetiteteho, ary ho fanampin'izay
Poivre sy persil ary tongolo gasy.

Avy eo izy rehetra afangaro
Asiana sira izay mahamety azy,
Rehefa tsara aminao dia atsaharo
Fa ny sira tsy azo anaovam-bazivazy.

Ny atody indray no manaraka,
Kapohina dia asiana la farine,
Rehefa mifangaro tsara dia hararaka
@ ilay fangaro teo aloha fa tsy maninona!

Ny menaka indray hafanaina avy eo
Tsy mety raha atao mamay be!
Satria mila masaka tsara ny ao anati'ireo
@ izay izy tena matsiro re!!!!

Rehefa mitsiaka tsara dia lafio salade
nalamina tao anaty lovia!
Tandremo ary sao tsy mahatsiaro vady!
Fa hoe matsiro ka ho ahy irery ity!!!!

 

Tononkalo sy nahandron'i Mamiarisoa Lalao RALAITSIROFO

Catégorie: