Atody am-bilany kely

869

"ATODY AM-BILANY KELY" - "oeuf cocotte"

Toa hafa kely izato anarany,
Fa tsotra ihany ny tantarany....

Ahandroy 1 kapoaka ana "coquillette"
Izay tianao hamasahany dia mety!

Avy eo dia tatavano,
Mba hitsiaka tsisy rano.

Totoy ny tongolo gasy voavôfy,
2 na 3 ihany sao tsy tian'ny rabôfy...

Endaso anaty vilany efa nasiana dibera,
Iray sotro lehibe na koa faribodim-bera.

Mangalà lafarina roa sotro lehibe,
Levony anaty ronono iray baolina dité.

Afangaroy daholo avy eo, 
Dia asio sira kely mba tsy ankaleo!

Alaivo ny tratra-keny mendy nofisahana,
"Jambon" koa mety sy tsara ampiarahana.

Apetraho manara-tsisiny an'ilay vilany kely
Dia tsindrio "coquillette" tsy atao feno velively.

Satria mbola asiana atody eo amboniny eo,
Toa tsara ery izato hendriny, jereo !...

Kanefa na d'izany aza dia tsy mbola vita
Fa mila ampidirina lafaoro folo minitra.

Dia ohano mbola mafana tsara
Toa faly erý ramose fa tsara karakara ;)

Tononkalo sy nahandron'i Lalao Mamiarisoa Ralaitsirofo
Anio 19 Janoary 2017

Catégorie: