Atody sy korzety

Portrait de Angie
516

SAKAFO MAHALEO TENA na LAOKA na FANOKAFAM-BAVONY :  Atody sy korzety endasina na "omelette de courgette" na "frittata di zucchine"​

Sakafo mora kely hoy ny italien hoe "Frittata " ny frantsay "omelette" ny malagasy atody endasina 
eto dia misy fangarony

Zavatra ilaina:

korzety
atody,
menaka na dibera,
fromazy voakiky 
sira,
dipoavatra raha tiana

Fikarakarana azy:

Sasana tsara ny courgette dia tetehina manify kely , asiana sira ary endasina amin'ny menaka oliva.
Rehefa akaiky ho vita dia arotsaka ny tongolo be efa voatetika koa.
Harona matetika fa mora miraikitra satria manify ary ny afo malefaka.
Kapohina ny atody dia asiana araraka ny fromazy , afangaro tsara dia araraka eo ambon'ilay korzety efa masaka dia avela hitambatra tsara. Mila atao maina tsara vao avadika. 

Nb: azo atao "frittata de legumes", na baranjely , na epinards, tongolo, ovy, ny karazana pate rehetra na spaghetti io sns sns
Mazotoa indray o

Matsiro be fa mazotoa o !!!

 

Catégorie: