Atody sy spaghetti endasina

700

Atody sy spaghetti endasina na "omelette de spaghetti" na "frittata di spaghetti"

Sakafo mora kely hoy ny italien hoe "Frittata " ny frantsay "omelette" ny malagasy atody endasina 
eto dia misy fangarony

Zavatra ilaina:

spaghetti,
atody,
menaka na dibera,
fromazy voakiky 
sira,
dipoavatra raha tiana
saosy voatabia 2 sotro hanome loko (raha tiana)

Fikarakarana azy:

Ampangotrahana ny rano dia asiana sira ary arotsaka ny pate, rehefa masaka dia tatavanina, 
Kapohina ny atody dia asiana sira kely ary araraka ny pate sy fromazy , afangaro tsara dia endasina. Mila atao maina tsara vao avadika. 
Lanin'ny ankizy foana io na inona atao ao anatiny na inona
Nb: azo atao "frittata de legumes" :  korzety, baranjely, epinards, tongolo, ovy, ny karazana pate rehetra  sns

Mazotoa indray o

 

Catégorie: