Bajia

134

 

zavatra ilaina:

voanemba 1kapoaka, karoty 1, maizena 2sotro fihinanana, menaka, sira, tongolo gasy, kotomila, tongolo maitso

Fikarakarana:

ampangotrahina mandritra ny 30mn ny voanemba dia totoina (raha mbola somary mafimafy dia ampiana io 30mn io)
Afangaro anaty saladier ny voanemba voatoto, kotomila sy tongolo maitso voatetika madinika, tongolo gasy voatoto, sira, karoty nokikisana madinika ary ny maizena ary menaka 1 sotro
rehefa mahazo rihatra azo volavolaina dia omena endrika izay tiana: boribory na lavalava
afanaina ny menaka dia endasina (atao afo malefaka)
Tsara be hanina amin'ny ketchup na mayonnaise 
Mazotoa e!

de Aina Rakotoarisoa

 

Catégorie: 
Matériels: