Balamboaly 1

Portrait de Angie
604

BALAMBOAY - MOFO MANGAHAZO
 

ZAVATRA ILAINA 

Mangahazo
siramamy
atody 1
voanio voakiky
dibera kely
menaka fanendasana

FIKARAKARANA AZY:

Masahana ny mangahazo ka rehefa masaka dia potserina amin'ny "fourchette" na totohina amin'ny "robot";

Asiana siramamy izay tiana, atody1, voanio voakiky ary dibera kely dia afangaro tsara;

Volavolaina amin'ny tanana hanome izay bika tiana.

Endasina amin'ny menaka mandifotra azy. 

Apetraka ambony taratasy na "sopalin" mba hitsika tsara ny menaka.

Mazotoa o 

Nahandron'i Dina Ramangatsihoarana, sarin'i TiAna

Catégorie: