Baranjely voasesika

535

BARANJELY VOASESIKA - Aubergines farcies 

ZAVATRA ILAINA:

Baranjely 1 lehibe
Totokena kisoa 300g 
Ovy 2
Tongolo gasy voakiky
Sira
dipoavatra
Menaka fanendasana
lafarina (izay ampy)
Atody 1

FIKARAKARANA :
1. Diovina ny baranjely dia tetehana boribory
2. Andrahona amin ny rano ny ovy dia rehefa masaka dia potserina amin ' ny sotro rovitra.
3. Afangaro ny totokena kisoa, ny ovy efa voakaraka, ny sira, ny dipoavatra, ny tongolo gasy voakiky
4. Alaina ny baranjely efa voatetika boribory dia asiana ny fangaro avy eo saromana tetika baranjely 1.
5. Maka bol kely dia kapohana ny atody dia arotsaka ao ny farine izay hita ho sahaza ny nahandro dia tapohana rano tsikelikely mandra pahazo paty somary marihitra. Asina sira kely sy dipoavatra
6. Afanaina amin ny afo malefaka ny menaka ka rehefa mafana dia alaina ny baranjely efa voakaraka dia asoka ao anaty paty efa vita mialoha dia endasina.
Mazotoa indray ary ho antsika izay mankafy ô

Nahandron'i Soa Bonheur Bourmancé

Catégorie: