Bavarois aux fraises

386

Mofomamy maivana vita amin'ny frezy

Zavatra ilaina:

"génoise" : lafarina 2 "pots yaourt" ( 250g eo) atody 06 siramamy 2 "pots yaourt" sesame : 1 sotrokely teo "mousse" : "coulis de fraise" 1 kaopy "crème liquide" 250g "gélatine feuille" 4 isa siramamy izay tiana "gelée de fraise" : "coulis" 1 kaopy "gélatine feuille" 5 isa siramamy izay tiana Asiana ambiny ny frezy atao haingony dia 5 isa ny "mini choco" anaovana soratra. Ny ambiny atao amin'ny frezy haingony.

Fikarakarana azy:

NY AMBANY : "génoise" manify somary norarahana "graine de sésame" ( tsy nampiasa lalovay)

NY AFOVOANY : "mousse à la fraise" Manao "coulis de fraise" dia asiana siramamy, Afanaina kely dia alefa ny "feuille de gélatine" efa nalona tamin'ny rano mangatsiaka Avy eo, kapohana ny "crème liquide" dia atambatra tamin'ilay "coulis" efa nangatsitsiaka. Mahazo "mousse" isika eto.

NY EO AMBONY : "gelée de fraise " Manao "coulis" ihany fa tantavanina dia asiana siramamy Hafanaina kely indray dia asiana "feuille de gélatine" dia avela hangatsiaka. Vita ireo, dia alefa arak'io filaharany io dia haingoana frezy.

NY SORATRA : atsonika ny "mini choco noir" dia atao anaty lasitra fanoratana

Mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra indray

nahandron' i Avotra Nirintsoa

 

Catégorie: