Beignet de courgette

875

TSAKITSAKY : BEIGNET DE COURGETTE 

ZAVATRA ILAINA 

araka ny habetsany moa izy ity
korzety 1
poti-kena kely antsaky ny fahefany mahavita azy, 
hanitra izay tiana,
dipoavatra sy tongolo gasy
lafarina kely 
ronono kely

FIKARAKARANA AZY:

- tetehana tsy dia atao manify ny korzety, azo zaraina 2 mba hampidirana ny sesika, ary alona sira aloha ny korizety voatetika miaraka amin'ny dipoavatra sy tongolo gasy,

- homanina ny "pate à beignet" : lafarina kely sy ronono ny ahy teto no nampiasaiko nandomana ny lalovay , dia asiana sira kely , dia afangaro tsara, (azo asiana atody raha tiana)

- maka korizety efa voatetika 2 dia asiana ny sesika eo ampovoany dia izay vao ampandalovina ao anaty paty ary dia endasiNa amin'ny menaka mafana betsaka (fa tsy mamay be manjary may nefa tsy masaka)

- rehefa masaka dia apetraka eo ambony "sopalin" na taratasy aloha hitsika ny menaka vao aroso.

Mazotoa o

 Nahandron'i Ylan Razafindramaho  

 

Catégorie: