Beignet de sardines

429

BEIGNETS DE SARDINES 

 

ILAINA

hoan'ny olona 6 :

sardines 20isa na izay ampy ,

lafarina 100g,

atody1,

ronono 100g,

menaka 1sotro fihinanana,

sira,

dipoavatra

 

Pâte à beignets:

Atao anaty bol ny lafarina,

lavahana eo afovoany dia arotsaka ao ny tamavony + menaka + sira.

Afangaro @lohatanana ireo, avy eo afangaro ao ny lafarina.

Alefa tsikelikely ihany koa ny ronono dia afangaro tsara mba azahoana paty tsy mitambaingambaingana.

Atao "en neige" ny tapotsiny, rehefa "ferme" tsara dia arotsaka eo amboniny ilay pate vita teo aloha dia afangaro moramora

 

Fanadiovana ny "sardines" : esorina ny lohany, alàna ny ao anatiny, sasana madio dia sokafana ahafahana manala an'ilay taolana eo afovoany.

 

 fikarakarana azy :

Afanaina tsara ny menaka dia aroboka ao amin'ilay paty dia endasina avadika amin'ny lafiny roa.

Atao eo ambony taratasy mitroka menaka izay vita.

 

Mazotoa daholo

nahandron' i Tolotra Fans'tsou

 

Catégorie: