Beignets de chou fleur

388

BEIGNETS DE CHOU FLEUR - Mofo chou fleur

(soflera ve amin'ny teny malagasy :))

Zavatra ilaina:
Atody 02
100ml ronono
100g lafarinina
01 chou fleur
Sira kely
Zava-maitso (tongolo ravina, persil) voatetika

Fikarakarana azy 
Sasana tsara ny chou fleur rehefa notetehana. Ampangotrahana ao anaty rano efa mangotraka nasiana sira mandritry ny 10 minitra eo ho eo.
Kapohy ny tamenak’atody, arotsaho ao ny ronono sy sira. Alefaso tsikelikely ny lafarinina. Arotsaka ny zava-maitso. Avy eo kapohy hiakatra ny tapotsin’atody, dia rehefa en neige ferme dia arotsaka ao anatin’ilay paty.
Afanao ny menaka. Arotsaka ao amin’ilay paty ny chou fleur dia endasina

Mazotoa o

nahandron'i Soa Mahaliana sy sarin'i Loyola Vola Rasoambelona.

 

Catégorie: