Bitro sy divay

758

LAOKA : BITRO NAHANDRO KITAY

ZAVATRA ILAINA :
bitro 2
divay mena 1/2L (fa fotsy hoy dada no tena tsara)
thym 1sotro fihinanana
romarin 1sotro fihinanana
curry 2 sotro fihinanana
tongolo gasy 1
dipoavatra 1sotro fihinana
sakamalaho voakiky 2 sotro fihinanana
tongolo 4
menaka 400 ml teo
sira
taoka 2 sarony (tsy voatery)
rano 
( izay fatra hitanao fa mahenika ny bitro sy zakanao fa tsy voatery arahana be ireo a!)

FIKARAKARANA AZY : (bitro nompiana no novonoina)

- rehefa voavono ny bitro dia tapahana ny lohany hiala, dorana kely amin'ny afo iny lohany iny mba hiala ilay volokely (misy tsy mihinana fa tonga dia manary) ary natsiaka rehefa voadio
- ahantona ary atsontsorika ambany kosa mandritry ny fotoana vitsy ny vatan'ny bitro efa nalana atiny
- avy eo, tetehana dia alona amin'ny divay sy ireo hanitra mandritry ny 2ora (afa-tsy ny sakamalaho sy ny taoka)

- arehitra ny afo kitay, alefa anaty vilany avy eo ary somary endandasina amin'ilay saosy nandomana azy aloha ; rehefa mahazo loko dia tapohana rano mahamasaka azy, alefa amin'izay ilay sakamalaho, dia masahana amin'ny afo mahery aloha, avy eo ahena ny afo.

- rehefa akaiky hobataina mihitsy vao arotsaka ny taoka 2 sarony

FANAMARIHANA avy amin'i Vero Randriam :
- raha hanisy saosy dia esorina anaty vilany ny bitro rehefa masaka, rotsahana tongolo voatetika amin'ny habetsahany tianao ny saosy tavela anaty vilany sy jumbo kely na fond (ampiana menaka raha ilaina sy divay ), avela ho masaka tsara ny tongolo ary somary matevina ny saosy dia vita. Mbola afaka manitatra kely hoe asiana maizena na crème fraîche.

- Azo atao ihany koa ny hoe andrahoina ny bitro dia rehefa akaiky ho masaka vao rotsahana divay.

Mazotoa o !

Nahandron'i Lah Randria

 

Catégorie: