Blinis

159

BLINIS

ity indray rankizy
No masaka androany
Tsotra be ilay izy...
Anefa matsiro ihany!

Kapohina ny atody iray
Ampiana 1 pot yaourt nature
Ary sira 1 mitsongo indray
sy 1/2 sachet ana levure.

Levure chimique no atao
ary koa 1 vera la farine
Avy eo afangaroinao
Asio sakay kely tsy maninona!

Dia hafanao ny lapoaly
asio menaka ihany koa
Ary mahaiza ianao miangaly
manao ilay sary fo!

Azo atao koa boribory
na izay endriny tinao
rehefa tsy manorisory
dia ataovy izay atao!

Rehefa vita izay
endaso ny crevette,
Manaraka indray
Endaso ny voatabia fa mety!

Dia ampihaingoy tsara
Asio izay tian-dry
Aza hadino ny vovon-tsira ary
dia mazotoa homana akia!

de Holinirina Ramanankasina