Bolety saonjo

1117

TSAKITSAKY NA LAOKA : BOLETY SAONJO 

ZAVATRA ILAINA:

saonjo manta atsasaky ny felatanana ny habeny, hatevenany 3cm,
sardine 1 boaty,
tongolo be voatetika 1,
sira,
dipoavatra,
sakamalaho voatoto
tongologasy voatoto.

FIKARAKARANA AZY :

 
- Kikisasana (raper-na) ny saonjo ary afangaro amin'ny sardine 1 boaty tsy misy menaka, arotsaka ao koa tongolo be voatetika, sakamalaho sy tongologasy voatoto, sira ary dipoavatra. 
- Afangaro tsara ireo, mihamadity ny paty azo avy eo, raha maina loatra dia raraho menaka kely (na menak'ilay sardine).
- maka amin'ny sotro amin'izay, fenoy lafarina ny ati-tànana fa miraikitra be ilay paty, manao boribory fisaka ary endasina anaty menaka.
- rehefa mendy menafify tsara dia esorina atao ambony essuie-tout na taratasy hitsihika.

Mazotoa homana tompoko 

Nahandro sy sarin'i Bonbon Mamibe 05.02.18

 

Ingrédients: 
Catégorie: