Bomban'ovy

410

BÔMBAN'OVY 

 

Zavatra ilaina :

100g lafarina,

200g potsitr'ovy masaka,

2 sotrokely lalovay simika,

sira, 

2 sotro fromage parmesan,

didina jambon 3,

frômazy italiana "provolone doux",

menaka fanendasana.

 

Fikarakarana azy :

1. afangaro ny lafarina, potsitr'ovy, sira , lalovay,  frômazy parmesan. Tokony hanome toy ny lastika maimaina tsy manara-tànana, ampio lafarina raha tsy manome toy izay.

2. Fisaho io paty io, makà vera kely hanaovana boribory be dia be.

3. Asio vaingana jambon na fromazy "provolone" kely eo afovoany, saromana boribory faharoa, idio tsara ny sisiny, dia endaso ho mavomavo tsara loko.

 

Mazotoa.

nahandron'i Bonbon Mamibe

 

Catégorie: