Bonbon coco

152

BONBON COCO

Vakio ny coco, voasy dia sasao!
Kikiso tsara aloha avy eo dia lanjao!
...

Alaivo ny siramamy mitovy lanja aminy
Avy eo dia arotsahy ireo anatin'ny vilaniny.

Asio rano mandifotra azy tsara indray
Dia hataingeno afo mafana tsara @ izay!

Raha tianao asiana loko dia ataovy eo am-piandohana,
@ izay mandray tsara fa sao ianao mihanahana!

Ahandroy avy eo dia avelao ho ritra tsara
haroiroy matetika, tandremo ianao sao tara!

Satria raha may ilay siramamy, mivadika karamelina,
Ka zary ho gaga ianao na koa mety hanenina.

Fa raha vao hitanao miraikitra @ sisim-bilany,
Dia ahenao ny afo f'aza avela hamay hatrany!

Dia haroiroy tsy ankijanona amin'izay
Ary koa tandremo tsara ny tananao sao may!

Rehefa hitanao ilay izy fa mitambatambatra,
D'esory ambony afo f' aza mihambatrambatra!

Dia lohary @ zay ataovy mitsitokotoko!
Hitanao fa samy tsara na ilay fotsy na ilay miloko?

Tononkalo sy nahandron'i Mamiarisoa Lalao RALAITSIROFO

 

Catégorie: