Bonbon coco 1

205

BONBON COCO

Nisy teto nanontany
Hoe: ahoana hono izany
Bonbon coco marron
Fa ohatran' ny tena bon!

Ity ary ilay izy
Matsiro izay ts'izy!
Mazotoa manamboatra
Fa mora sady tsara voatra!

Kikiso ilay voanio
Izay habeny hitiavanao azy fidio
Avy eo jereo tsara ny lanjany
Dia ampio siramamy mitovy aminy

Raha voanio iray no ataonao
Dia manome toy izao:
Coco râpée sy siramamy 250 gr avy
ka rano tapa- litatra no anamasahana azy!

Ataovy caramel aloha ilay siramamy
aza atao may lloatra sao ianao be vinany!
Avy eo arotsay ao ilay coco râpée
Afangaroy tsara vao alefaso ilay rano be!

Ka rehefa ritra tsara ilay izy
Ampanalaviro sao may ny ankizy.
satria tonga dia alahatra anaty lovia
ka avela hangatsiaka tsara izy ity!

Izay indray ary aloha
Fa mandram-piresaka ramatoa!

 

Tononkalo sy nahandron'i Mamiarisoa Lalao RALAITSIROFO

 

Catégorie: