Bonbon coco 2

955

BONBON COCO ( 15 bonbons)

ZAVATRA ILAINA:

voanio 1
Siramamy 300g (avy any Madagasikara eto)

FIKARAKARANA AZY:

Kikisana ny voanio; azo asiana rano kely ao anatiny dia fihazana ary iny ranony iny azo hanaovana sakafo amin’ny voanio, ny faikany eto moa no ilaina. (eto dia nampiasa “extracteur de jus”)
Maka vilany dia manao “caramel” rano kely sy siramamy atao amin’ny afo malefaka haroina tsy hiraikitra.
Rehefa izay dia arotsaka ny voanio ary haroina hatrany ka rehefa maina tsara dia vita
Alahatra anaty vilia atao mitsitokoto avela mangatsiaka dia azo azo aroso.

Mazotoa
Am-pitiavana foana

Nahandron'i Niry Rafi 

Catégorie: