Bouchée aux légumes

561

BOUCHEE AUX LEGUMES
 

ZAVATRA ILAINA:
 

ny pate novidiana vita fa afaka manamboatra.
 

Pate feuilletée:

lafarina 500g,

"beurre de feuilletage 125g",

sira kely

rano;

 

Sesika:
karoty,

ovy,

petit pois,

tongolo maintso,

céleri,

mayonaise raha tianana saosy bechamel : dibera 100 g, lafarina 100 g, ronono 1 l, sira, dipoavatra

 

FIKARAKARANA:

 

Ny pate:

 

- atao anaty bol ny lafarina , asiana lavaka eo afovoany, arotsaka eo afovoany ny sira sy rano
- aroharoina amin'ny tanana atao izay hifangaroany tsara, tapotapohana rano raha mbola tsy mitambatra tsara
- rehefa vita ny paty dia fonosina "papier film" ary atao anaty vata fampangatsiahana 30minitra
- Avy eo, velarina ambony latabatra ny paty dia atao eo afovoany ny dibera 200g eo (somary malemy : navoaka mialoha avy ao anaty vata fampangatsiahana)
- avalona tsara ho rakotry ny paty ny dibera dia potserina , ahodina ny paty dia avalona dia avadika lafiny indray dia avalona , atao in-6 izay fihetsika rehetra izay
- rehefa vonona dia atao izay bika tiana ka eto dia natao toy ny lasitra kely ka asiana "dorure"  (lalorina atody nokapohina) 
Ampidirina lafaoro tsy misy inona ao anatiny aloha , ka efa nohafanaina mialoha amin'ny hafanana 180° mandritra ny 20-25 mn araka ny habeany
 

Ny sesika:

Sasana ary tetehina majinika ny legioma rehetra

ampangotrahana ny rano kely dia asiana sira ary andrahoina ao ny legioma ka rehefa masaka dia atokana,

 

Saosy béchamel

Atsonika ny dobera arotsaka ny lafarina, alefa tsikelikely ny ronono, harohina foana mba tsy hisy mivaingambaingana, vita izy rehefa tapitra ny ronono ary mahazo saosy matevina asiana sira sy dipoavatra kely

apetraka ambony vilia dia asiana sesika ; ka azo zaraina roa ny iray asiana mayonaise ny iray kosa asiana bechamel

 

Nahandron'i Hanta Andrianina

 

Catégorie: