Bouchons

Portrait de Angie
601

"DIM SUM"
(na "BOUCHONS" na "DUMPLING" na " XIAOLONGBAO" )

Ny paty : 

Ilaina : 

lafarina 250g
rano 100ml
tapotsin'atody 1
sira

Fikarakarana :

- alaina ny rano, asiana tapotsin' atody sy sira, dia araraka tsikelikely ao amin'ny lafarina, dia volavolaina tsara amin ny tanana na "robot". 
- Fisahana manify kely dia manao boribory kely be dia be.

Ny sesika (azonao atao hafa koa) : 
totokena kisoa 250g
laisoa
tongolo maitso
tongolo gasy
sakamalaho 
sira( na vet tsin)
dipoavatra,
maïzena 1 sotro fihinanana

Fikarakarana :
- "mixer"-na miaraka ireo.

Manambatra azy:

Atao afovoan'ny ny paty ny sesika, dia asina rano kely ny sisiny hampitambatra azy, akatona atao mahazo antsasa-bolana (demi lune) dia asina "plis" ohatran io amin' ny sary io.

Fahandro azy :

1) na atao masak'entona (à la vapeur)
2) na mamana rano (tsy atao mangotraka) dia arotsaka ao dia rehefa mitsingevana izy dia masaka zay
3) Azo endasina ihany koa atao menaka tsy mamay loatra.

Mazotoa o 

Nahandron'i Bao Rakoto

 

Catégorie: