Brioche tressée et pain au choco-confiture

507

 Brioche tressée et pain au choco-confiture

ZAVATRA ILAINA: 

  • ho an’ny paty brioche sy pain au choco : 

lafarina 500g.
atody 2 .
"levure boulangère" 2c.a.s .
siramamy 6c.a.s 
sira 3 tsongo.
dibera 80g 
ronono matimaty 2pots yaourt.
"sésames" 
"graines d'anis" (facultatif) 

  • Ho an’ny pain choco –confiture

Mini choco noir

  • ho an’ny confiture: 

letchis sy papay ary siramamy

FIKARAKARANA: 

  • Ny confiture :

letchis sy papay no nampiarahana tao anaty vilany sady tsy mandany siramamy satria efa samy mamy tsara, ka antsasaky ny lanjan’ny letchis sy papay ny siramamy andrahoihina mandrapaha ritra ny ranony dia vita.

  • Ny paty: 

- Afangaro anaty bol lehibe daholo ny lafarine, atody , levure boulangère, siramamy, sira, beurre, ronono matimaty. Volavolaina tsara ka rehefa homogène tsara dia saromana lamba ary avela hanao repos 1h30 .
- Nozaraina 2 ilay pâte ka ny atsasany hanaovana brioche 2 ny atsasany hanaovana pain chocó confiture 6.
- ny iray fisahina ny pâte didina 3 arandrana dia atao anaty moule à cake efa nasiana dobera ny sisiny rehetra ary dia avela hipetraka 1h ao indray mba hibontsina.
- ny ambina pâte iray kosa fisahina dia zaraina 6. Asiana minichoco noir sy confiture dia aorona,dia avela hipetraka hanao repos ambony plaque koa dia lasa mitombo. Rehefa mibontsina tsara dia lalorina atody ary asiana sésame sy siramamy kely 
- ampidirina lafaoro efa mafana tsara.15 à 20 minutes dia vita satria lafaoro briques no ampiasaiko dia izao no fivokany
Misy namana efa nanao tato nampiasa lafaoro gazy na lafaoro gasy (vilany) fa ity kosa dia lafaoro biriky.
Mazotoa o

Nahandron'i Hanitra Andrianaivoson 

 

Catégorie: