Côtes d'agneau et haricots blancs

945

 

LAOKA : KOTOLETAN'ONDRY SY TSARAMASO 

Rehefa manakaiky ny PÂQUES dia maro ny “agneaux de pâques” izay matetika dia hohanina miaraka amin’ny tsaramaso indrindra ny faritry Marseille, Provence-Alpes-Cote d'Azur  

ZAVATRA ILAINA
“côté d'agneau”
sira na “fleur de sel” 
dipoavatra
tsaramaso
tongolo be,
curcuma
 “herbe de Provence”
sakay
salady maintso
“germe de soja

FIKARAKARANA AZY

Eto ny “côté d'agneau” dia atono ary asiana dipoavatra kely. 
Rehefa ao ambilia vao samy manisy sira na “fleur de sel” 
Araka ny efa voalazako hoe raha tsara ny hena ka atono tsy ilaina akory ny manisy sira azy
Ny tsaramaso kosa dia andrahoina miaraka amin’ny tongolo be, curcuma ary “herbe de Provence”
Isika moa malagasy dia tsy adino ny vary 
Ary ampiako salady maintso sy “germe de soja” mba misy legioma
Tsy adino ny sakay

Am-pitiavana foana 

Nahandron'i Niry Rafi

Catégorie: